EDITO 5 Desambra – Tsy hiadana sy tsy ho finaritra i Madagasikara

Helisoa

Mbola hisy fanantenana ve ny ho havin’i Madagasikara raha izao zavamisy eto amin’ny firenena izao no sainina sy eritreretina? Tany tan-dalàna ve no misy eto Madagasikara sa tsia, satria toa izay tian’ireo tompom-pahefana no hampiharina hitondràna ny firenena? Tena manao ny danin’ny kibony izy ireo, misy fetrany anefa izany. Mbola hanana ny ho aviny mamiratra ve ireo tanora izay lazaina fa ho avin’ny firenena? Mihàtra eto Madagasikara ve ny soa toavina maha Malagasy dia ny fanajàna ireo ray amandreny eto amin’ny firenena, sy ireo izay nampalaza antsika hatramin’izay dia ny fihavanana? Ireo no santionan’ny fanontaniana miverimberina eny ambavan’ny olom-pirenena maro na eny an-dalambe na eny amin’ny tambazotran-tserasera amin’izao fotoana izao, indrindra taorian’ny fifidianana izay tsy nandraisan’ny rehetra anjara teo, ka nampandresen’ny CENI sy HCC an’i Andry Rajoelina.

Ny fanirian’ny rehetra dia hiadana sy ho finaritra i Madagasikara, saingy indrisy mizotra mankany anaty lavaka isika raha jerena amin’ny zavatra misy. Izay tian’ny tompom-pahefana no atao eto ary ataony amin’izay mampetipety azy ny itondràna ny firenena na tsy ao anaty lalàna aza. Aiza ve ka mpitondra lazaina fa lany, tsy nisy fianianana ny fametrahana azy amin’ny fomba ofisialy dia efa midedaka sahady misolo tena an’i Madagasikara any ivelany. Mazava ny voalaza fa tsy filoha izy raha tsy vita ny fianianana amin’ny 16 desambra.

Niditra antsehatra nandamina ny ray amandreny filohan’ny Antenimierampirenena Christine Razanamahasoa sy ny FFKM amin’ny disadisa eto amin’ny firenena, kanjo ny tenany indray no nahazo loza. Fanajana ray amandreny ve izany araka ny soatoavina maha Malagasy? tsia ny valiny. Dia miandry ny ho tohiny ny vahoaka Malagasy 70% mahery tsy nifidy an’i Andry Rajoelina, eo mahita izy hoy ny fiteny iray izay.