LAORANJY LO TSY AZO EKENA

Tena tsisy mahataitra ny amin’ny voka-pifidianana,
F’efa hita tany aloha ireo tsy fahatomombanana.
Kandidà tsy nahafeno izay voalazan’ny lalàna
No nanaovana amboletra mba handray ny fiaingàna!

Vokany dia tsy mitombina ary tokony hofoanana
Fa manimba saina fotsiny ity nambara ho fifidianana.
Ny mpitsara dia efa tazana fa nanana ny niandaniany,
Ny komity koa mampiaiky fa indreo manao izay tiany!

Irony vokatra navoaka, na dia mbola vonjimaika,
Dia efa hita fa maneho ny teti-dratsy sy ny paika.
Indreo ny kandidà rehetra fa nezahina nantsoina,
Saingy Rainilainga irery no indro hita fa nanoina!

Ary dia nisolantsolana naka seza teny aloha
Fa efa dodona sy maika hisalotra ny maha-filoha.
Kinanjo indrisy tsy hahazoany voninahitra aman-dera,
Fa mihosina maloto ka dia maro mpitsikera!

K’aoka isika tsy ho taitra ny amin’ny voka-pifidianana,
F’efa indreo mandrovi-tsihy ireo ho very fihinanana!
Ny vahoaka tsy hanaiky fa tsy maintsy hampiaka-peo,
Raha mbola hoe « laoranjy lo » no atao an-tery hapetraka eo!

TSIMIMALO (29-11-23)