Filoha napetraky ny HCC – Tokony handray fepetra hifampitokisana ho amin’ny fifampidinihana hoy ny Ambasady 9

Isambilo

Tao aorian’ny famoahana ny vokatry ny sarintsarim-pifidianana natao teto amintsika, ka namoahan’ny Fitsarana Avo momba ny Lalampanorenana (HCC) ny sarintsarim-boka-pifidianana ofisialy omaly, nanao fanambarana ireo Ambasady miisa 9 eto amintsika dia ny Vondrona Eropeana, ny OIF : fikambanam-paritry ny Francophonie, i Allemagne, i Korea, i Etazonia, i Frantsa, i Japon, i Royaume-Uni ary i Suisse, fa tokony handray fepetra hifampitokisana ho amin’ny fitohizan’ny fifampidinihana ny filoha vaovao napetraky ny HCC, indrindra ho amin’ny ho avy amin’ny fanaovana ny fifidianana ben’ny tanàna, sy ny mpanolotsainan’ny kaominina ary ny fifidianana depiote.

Izany fepetra izany dia tokony hisy ny soso-kevitra sy fanakianana nataon’ireo mpanara-maso avy eto an-toerana sy avy any ivelany amin’ny fanatevenana ny lafiny lalàna sy ny fanatsarana ny tontolon’ny fifidianana. Hiara-hiasa amin’ny filoha napetraky ny HCC izy ireo, ho amin’ny fampandrosoana maharitra an’i Madagasikara ary handraisan’ny rehetra anjara, ao anatin’ny filaminana sy ny fanajana ny zon’olombelona.