Sarintsarim-pifidianana nanome sarintsarim-boka-pifidianana

Andry Tsiavalona

Araka ny efa niaraha-nahita sy nandre, ny vokatry ny sarintsarim-pifidianana vonjimaika navoakan’ny Vaomieram-pirenena Mahaleotena misahana ny Fifidianana (Ceni) herinandro lasa izay, fa mandresy amin’ny salan’isa 58,9% ny kandidà frantsay Andry Nirina Rajoelina. Ny Vondron’ny kandidà iraikambinifolo etsy an-kilany dia nanao ny ezaka rehetra nanamafy fa toy ny tsy nisy iny fifidianana iny, noho ny tsy fahatomombanan’ny fikarakarana izany.

Nihaona tamin’ireo Vondrona Iraisam-pirenena ihany koa izy ireo nanaporofo ny tsy fanarahan-dalàna nialoha sy nandritra ary aty aorian’ny fifidianana. Ny alarobia lasa teo dia nanome ny porofo rehetra momba ireo hala-bato sy tsy fitoviana ao anatin’ny fitanana an-tsoratra fanovana tany amin’ireo biraom-pifidianana maro, ka nangataka ny fampitahana izany (confrontation) teo anivon’ny Vaomieram-pirenena Mahaleotena misahana ny Fifidianana, kanefa dia nolavina izany. Nitsikera ireo tsy fanarahan-dalàna sy fanaparam-pahefana nitranga tany amin’ireo biraom-pifidianana ihany koa ny Fikambanana nanao fanaraha-maso Safidy. Nanao fandrahonana ny « mpitandro ny filaminana nasionaly », fa tsy azo atao ny mivorivory sy maneho hevitra tamin’ny ankatoky ny famoahan’ny Fitsarana Avo momba ny Lalàmpanorenana ny sarintsarim-boka-pifidianana ofisialy.

Ny sarintsarim-pifidianana tokoa raha ny lojika dia manome sarintsarim-boka-pifidianana. Tsapa avy amin’izany ankehitriny, fa tsy miaro ny Firenena sy ny vahoaka ny foloalindahy, fa miaro ny kandidà frantsay ary hiray tsikombakomba amin’ny fanjanahana an’i Madagasikara indray. Tsy misy ary tsy hisy vazaha frantsay hiaro ny tombontsoan’ny olompirenena Malagasy, sy ho saropiaro amin’ny harena eto Madagasikara izany. Nanao fianianana i Andry Nirina Rajoelina fa hiaro ny tombontsoan’i Lafrantsa rehefa nomen’ny frantsay ny zo maha olompirenena frantsay azy, rehefa ninia nangataka izany. Voarakitra ao amin’ny Lalàmpanorenena Malagasy, fa tsy maintsy mizaka ny zompirenena Malagasy izay mirotsaka ho filoham-pirenena koa raha fanjakana tan-dalàna ny mijoro eto Madagasikara dia tsy ho kandidà mihitsy i Andry Nirina Rajoelina ary tamin’ny fanambarana ny voka-pifidianana nataon’ny Hcc dia tokony ho foanana ny vatony. Ny farafaharatsiny azo ekena dia ny fampitahana ny vokatra voarakitra ao amin’ireo fitanana an-tsoratra voarain’ny Vaomieram-pirenena Mahaleotena misahana ny Fifidianana (Ceni), sy ny eo am-pelatànan’ny kandidà nandray anjara tamin’ny fifidianana. Tsy nifanalavitra tamin’ny tarehimarika navoakan’ny Ceni ny navoakan’ny Fitsarana Avo momba ny Lalàmpanorenana.

Na inona na inona didy tsy azo ivalozana avoakan’ny Hcc amin’ny fomba ofisialy dia « ara-dalàna » angamba izany, fa tsy hahazo ny fankatoavan’ny Malagasy (légitimité) na rahoviana na rahoviana. Entina manaporofo izany ny olona « nandatsa-bato » ho an’i Andry Nirina Rajoelina (tsy resahina ny fanovana ny biletà tokana sns,…). Na tiana na tsy tiana dia tsy hilamina ity Firenena ity raha mbola miziriziry hizotra amin’izao làlana mamarina ny Firenena any an-kady izao ny mpitondra. Marary ny toekarena, ny fiainana ara-tsosialy ary ny sehatra politika. Tsy afaka misaina ny tena fampandrosoana ny Firenena mihitsy ny mpitondra, fa variana amin’ny fifikirana eo amin’ny fahefana sy ny fangoronam-bola. Tsy izao fitondrana izao no manana ny fahaizana sy traikefa entina mitsabo ny Firenena, satria ao amin’izy ireo mihitsy ny viriosy ka miezaka izy ireo hamindra izany amin’ny olompirenena maro. Tsy hanaiky izany ny olompirenana Malagasy saropiaro amin’ny fiandrianam-pirenena sy ny fiverenana amin’ny firenena tan-dalàna ary ny fanitsakitsahana ny Lalàmpanorenana sy ny Fitsipiky ny Zompirenena. Ho mafy ny tolona, izay miofo ho tolom-bahoakaka ary ny hery rahateo tsy mahaleo ny fanahy.