Fampisakafoanana – Tafarina tamin’ny fahamaizany ny Phô Resto Bel’Air

Aly

Ahiana ho nisy nandoro avy ao amin’ny sekoly izay mifanila aminy ny toeram-pampisakafoanana Phô Resto etsy Bel’Air Ampandrana. Tafarina tamin’izany fahamaizany izany ity orinasa ity amin’izao fotoana, ka nisokatra nanomboka omaly. Manan-tantara ny datin’ny androany 1 desambra 2023 hoy ny tompon’andraikitra satria fiaingana vaovao, fahaterahana vaovao taorian’ny loza mampiahiahy nahamay tanteraka ny lakozia sy ny toerana manodidina azy, tao amin’ity trano fampisakafoanana ity ny alin’ny zoma 27 hifoha sabotsy 28 oktobra lasa teo. Nahandro tena Malagasy toa ny henankisoa sy amalona, hen’omby ritra, saosisin’i Sambaina no hita ao, sy ny maro hafa, fa mbola eo ihany koa ny sakafo vahiny toa ny lasopy Phô vietnamianina. Efa 4 taona no nisokafan’ity toeram-pampisakafoanana ity.