EDITO 2 Desambra – Tsy vitan’ny mpitandro filaminana ny asany – Mankany amin’ny habibiana tanteraka ny herisetra mitranga

Sôh’son

Tsy misy andro na alina tsy andrenesana asan-jiolahy eto amin’ny firenena, na ambanivohitra na an-tanàn-dehibe, amin’izao fotoana izao. Mitatitra isan’andro ny haino vaky jery maro. Mirongatra ny asan-jiolahy sy dahalo. Ratsy tanteraka ny fandriampahalemana eto amin’ny firenena, tsy lavina efa nisy tato anatin’ny taona maro izany, na tato anatin’ny folo taona farany, na indrindra tao anatin’ny dimy taona farany nitondran-dRajoelina. Ilay asan-jiolahy na dahalo ao anatin’izany dia feno habibiana matetika, izany hoe ahenoina vono olona mahatsiravina. Tsy mbola fahita taona maro tany aloha tany, izany hoe fikapahan-doha olona izay miseho lany izany, ny fakàna takalon’aina sy herisetra amin’ny endriny samihafa toy ny fanolanana, fakàna voamaso, fakàna taova, sns… Efa tena mankany amin’ny habibiana tanteraka ny herisetra mitranga.

Iza no tompon’andraikitra voalohany amin’izany ? Ireo lazaina ho mpitandro filaminana, dia ny polisy ny zandary ary miaramila. Ireo no nilaza sy nianiana ho an’ny tanindrazana, ho tandroka aron’ny vozona ary hiaro ny vahoaka sy ny fananany. Miharihary tanteraka fa tsy nahavita ny asa sy ny andraikitra nampiandreketina azy izy ireo matoa tonga amin’izao tranga izao ny toe-javamisy. Ny nanakaramaina an’ireo anefa dia ny hiaro ny vahoaka sy ny fananany. Azo lazaina mihitsy ho maty antoka ny vahoaka fa ny olona ampiasainy iandraikitra ny fiarovana azy tsy mahavita ny asany, ny mpitondra hala-bahoaka sy ny vahiny indray no toa arovany. Iaraha-mahalala, fa feno jeneraly eto amin’ity firenena ity, ary i Madagasikara angamba no anisan’ny firenena be jeneraly indrindra. Niha-nitombo isa izy ireo tao ambadiky ny taona 2009 – 2010 nisian’ny fanonganam-panjakana notarihan-dRajoelina. Miharihary anefa fa tsy nahavaha olana amin’ny tsy fandriampahalemana izy ireo, izao iaraha-mahita sy miaina izao ny fijalian’ny vahoaka malagasy. Karazany very fotsiny ny volam-bahoaka.

Ny manorisory ny olom-pirenena maro, dia mivangongo eo afovoan-tanàna: manoloana ny Lapan’ny tanànan’Antananarivo na ny Kianjan’ny 13 Mey sy Analakely fotsiny ary mandany andro mitango lalitra eo, na milalao finday, na milalao fotsiny no ataon’izy ireo isan’andro. Ny baiko nomena azy ireo: hiandry vahoaka haneho hevitra hidina an-dalambe ho eo. Vahoaka mitondra tanam-polo anefa. Aleon’izy ireo manempotra amin’ny gazy lakrimôzena, mandratra mandatsa-drà, mitifitra, misambotra sy managadra, mamono ireo vahoaka ireo, toy izay very tombontsoa manokana. Iaraha-mahalala, fa fiarovana seza sy tombontsoa manokana no hamonoana vahoaka toy izany, fa hamaivanina ny ady amin’ny jiolahy sy dahalo manerana ny faritra maro eto amin’ny Nosy. Vahoaka poretina, vonoina, gejaina, tampenam-bava, fa izay mihetsika sy sahy miteny samborina, anaovana ramatahora, gadraina, sns… izany no misy eto amin’izao fotoana izao. Tafidi-doza ny firenena malagasy.