Sendikalista sy ny asa – Naaton’ny fitsarana ny famindran-toerana an’i Fama, SSM

Stefa

Nitory teny amin’ny filankevi-panjakana ny sendikalista Fama Razafimahazo, sendikalista miasa ao amin’ny Antenimierandoholona, noho ny famindran-toerana azy misy ambadika politika. Nivoaka ny didy avy amin’izany fitsarana izany, nandresy ity sendikalista ity, naaton’ny filankevi-panjakana ny famindran-toerana azy, hiasa any Antsiranana faritra Diana. Didy nivoaka nandritra ny fotoam-pitsarana ny talata 28 novambra 2023 teo io tetsy Anosy. Nilaza ho afa-po tamin’ny didy ity mpitarika sendika eo anivon’ny Antenimierandoholona ity, izay sady Sekretera jeneraly lefitry ny SSM, na Firaisankinan’ireo Sendika eto Madagasikara. Aoka ajanona amin’izay ny antsojay amin’ny mpitarika sendika sy sendikalista rehetra, hoy Fama Razafimahazo, notronin’ireo sendikalista maro nandritra izany fotoam-pitsarana izany.