Vondron’ny kandidà 11 Fianarantsoa – Miantso ny HCC tsy hamoaka vokatra hiteraka krizy lalina

Stefa

Toy ny tsy misy iny fifidianana filohampirenena vita teto amintsika tamin’ny 16 novambra iny, hoy ny solontenan’ny Vondron’ny Kandidà any Fianarantsoa faritra Matsiatra Ambony. Toy ny tsy misy koa arak’izany ny voka-pifidianana avy amin’izany. Nanao fanambarana ny solontenan’ny vondron’ny kandidà 11 ireo, sy ireo vondron’olona ary ny herivelona any Fianarantsoa manoloana ny fifidianana hosoka sy natao amboletra teto Madagasikara iny. Miantso ny HCC izy ireo, mba tsy hamoaka ny vokatra izay mety hiteraka krizy lalina eto amin’ny firenena. Ankoatra izany, manohana ny ezaka fanelanelanana ataon’ny filohan’ny Antenimierampirenena Razanamahasoa Christine sy ny FFKM ny Hetsika Fotsy any amin’ny renivohitry ny faritra Matsiatra Ambony.