Mahazo ny sehatra rehetra ny krizy – Tsy ho azo ihodivirana ny fifampidinihana

Andry Tsiavalona

Amam-bolana vitsy no efa nitakian’ny hery velona rehetra misy eto amin’ny Firenena, ny hanaovana fikaonandoham-pirenena hifandresen-dahatra momba izay tetikady sy marimaritra iraisana ho entina hivoahana amin’izao krizy tsy mitsahatra nahazo laka iainana eo amin’ny sehatra rehetra izao. Natao koa ny antso mba tsy ny vahiny na any amin’ny firenena any ivelany foana no hamahana ny olana ary ny Malagasy samy Malagasy no hamaha ny olana. Iaraha-mahita fa miziriziry mandà izany antso hanatanterahana fikaonandoham-pirenena izany ny eo amin’ny fitondrana, fa manao di-doha tsy miraharaha na inona na inona ka mizotra amin’ny làlana efa nofinidiny. Maro anefa ankehitriny no milaza fa tsy azo ihodivirana ny fifampidinihana, na Malagasy, na vahiny, mba hisian’ny filaminana maharitra eto amin’ny firenena, sy hamahana ireo krizy maro samy hafa, izay efa lalim-paka ireo avokoa.

Efa nandritra ny efatra taona sy tapany izao no efa nanitsakitsaka ny Lalàmpanorenana, sy ireo lalàna velona manankery eto amin’ny Firenena ny fitondrana Andry Nirina Rajoelina. Nahazo vahana izany taorian’ny fametraham-pialàn’i Andry Nirina Rajoelina, rehefa neken’ny Fitsarana Avo momba ny Lalàmpanorenana ny maha kandidà ho filoham-pirenena azy. Tsapa avy amin’io fanekena io, fa na dia ity Andrimpanjakana natao hiaro ny Lalàmpanorenana ity aza dia manitsakitsaka izany, satria tsy nanao fanadihadiana momba ilay taratasy nanamarina (certificat de nationalité) fa gasy i Andry Nirina Rajoelina, izay araka ny vaovao dia tsy ny avy ao amin’ny Fitsarana Ambaratonga Voalohany (Tribunal de Première Instance) no nanao sonia izany.

Na izany na tsy izany ny Andininy 42 ao amin’ny Lalàmpanorenana dia tsy mahazo milatsaka ho kandidà ny olona ninia nangataka zom-pirenena vahiny, fantatr’ity Andrimpanjakana ity tsara izany kanefa dia nodinganiny fotsiny izao. Fanitsakitsahana ny Lalàmpanorenana ihany koa ny tranga tsy fanajana ny arofenitra momba ny fametrahana ny filoha sy fifamindram-pahefana tao amin’ny Antenimierandoholona. Toy izany koa ny fizarana andraikitra eo amin’ny fitantanan-draharaha izay roa ny filoham-panjakana: ny jeneraly misotro ronono “filohan”ny Antenimierandoholona”, izay miandraikitra ny Filaminana, ary ny governemanta no miandraikitra ny fitantanana ny raharaham-panjakana.

Tsy nahagaga loatra araka izany ny fisamborana sy fanagadrana olona izay midika fanitsakitsahana ny zon’olombelona, sy ny fahalalahana maneho hevitra sy fivezivezena an-kalalahana eto amin’ny Firenena, satria ilay jeneraly zandary misotro ronono nanampatra fahefana tamin’ny tetezamita, no nampiandraiketina ny fandriampahalemana. Ny tena zava-doza dia nialohan’ny fifidianana dia hitam-poko, hitam-pirenena ny nampiasan’ny mpanao fampielezankevitr’i Andry Nirina Rajoelina “kandidam-panjakana” ireo mpiasam-panjakana sy ireo fitaovam-panjakana, izay raha araka ny lalàna dia miteraka fanesorana an-daharana (disqualification) ny kandidà. Natao amboletra ny fanatanterahana ny fifidianana, kanefa tsy mbola miala any amin’ny toeran’ny nandatsaham-bato akory ny vata fandatsaham-bato dia efa namoahan’ny Vaomieram-pirenena Mahaleotena misahana ny Fifidianana eto Antananarivo vokatra sahady. Tsy vitan’izany fa samy manao fanisana ireo Andrimpanjakana misahana ny fifidianana (HCC-Ceni) ka ny an’iza amin’ireo no havoaka ho ofisialy? Etsy an-kilany dia nolavin’ny Ceni ny fampitahana ny vokatra (confrontation des résultats) tonga ao aminy, sy ny eny am-pelatanan’ny kandidà laharana faha-13.

Rehefa mahatsiaro tena fa malemy izao fitondrana izao dia efa mamorona sarimihetsika, fa misy manamboninahitra ambony ao amin’ny tafika nikononkonona fanonganam-panjakana ary rehefa nandalo fampanoavana dia naiditra eny amin’ny fonjaben’i Tsiafahy. Hamoaka ny voka-pifidianana amin’ny fomba ofisialy hono ny Fitsarana Avo momba ny Lalàmpanorenana. Raha ny fironana amin’ny ankapobeny anefa dia toy ny tsy nisy iny fifidianana tamin’ny 16 novambra 2023 iny, satria be loatra ny tsy fahatomombanana sy ny tsy fanarahan-dalàna teo amin’ny fikarakarana sy fanatanterahana ary ny fikirakirana ny vokatra.

Mbola tsy tara raha miara-manaiky fa tsy azo ihodivirana ny Antson’ny Vovonana iarahan’ny Filohan’ny Antenimierampirenena sy ny FFKM ary ireo olobe sy raiamandreny ara-drazana sy ny fiarahamonim-pirenena ary ny Vondrona iraisam-pirenena hitsabo ny aretina mikiky ity Firenena ity. Lazain’ny mpitondra fa “adala” ireo rehetra mahatsiaro fa tsy mandeha amin’ny laoniny ny fitantanana ity Firenena ity. Tsy maintsy atao ao an-tsaina mandrakariva anefa fa ny adala ihany no milaza ny tenany ho hendry sy milaza ny hafa ho adala. Koa mitaky fitsaboana amin’ny aretina mikiky azy ny Firenena ary mila fitsaboana ny olona adala miridana tsy mahalala izay hahafaty azy. Ny hendry hono mody voky fa ny adala manesika ihany, kanefa amin’izao toe-draharaha misy eto amin’ny Firenena izao dia “tsy ho faly asian-dratsy” ny Malagasy ka tsy hanaiky ho andevozim-bazaha frantsay indray ary hifarimbona hamongotra ny viriosy naparitak’i Andry Nirina Rajoelina eto amin’ny Firenena.