Voka-pifidianana vonjy maika – Tsy natao hahagaga ny vokatra nivoaka, ni-“fraude” Rajoelina

Sôh’son

Raha any an-dakilasy, no anoharana ny fifidianana amboletra teo iny, dia mpianatra manao « fraude » no misy. “Fraude” no nataon’i Andry Rajoelina ka nahazoany isa tsara, anisan’izany ny fanafenana taloha ilay 8 cm, fa nivoaka ihany izany tamin’ity taona ity. Midika tsotra izao, fa tsy fahaizana izany raha any am-pianarana. Mpianatra tsy mamitaka ny tenany fotsiny ihany, fa mamitaka ny rehetra hatramin’ireo ray aman-dreniny.

Toy izany koa ny an’ity kandidà frantsay ity, tsy ny tenany ihany no fitahiny, fa ny vahoaka malagasy manontolo mihitsy, ary hatramin’ny any ivelany io. Ny tena mpampianatra anefa mahalala tsara ny fahaizan’ilay mpianatra, ary ny taranja nanalàny fanadinana tsy misy ary tsy anaovana fahagagana, fa tena mitaky fahaizana. Miharihary araka izany, fa hala-tahaka na “fraude” matoa izy nahazo naoty tsara, ary tsy misy fanazavana ankoatran’izay.

Eto amin’ity resaka fifidianana ity ihany koa, dia toy izany. Tsy misy afa-tsy hosoka sy tsy fahamarinana ihany no hany tokana hahafahan’i Andry Rajoelina nahazo vato. Raha nanao toy iretsy kandidà 10 tsy nanao fampielezan-kevitra izy angamba fa niandry fotsiny, dia azo inoana marimarina fa zara hahazo isam-bato 1 hatramin’ny 5% raha be indrindra. Efa ny olom-pirenena manerana ny Nosy manontolo mihitsy, iaraha-mahalala, no efa manilika azy, ary fantany tsara izany matoa nampiasa vola be izy nividianana vato, sy ny fanerena ireo mpiasam-panjakana isan-tsokajiny hiandany sy hifidy azy ka nampiakatra ny taha-pahavitrihana tamin’ny fifidianana.

Nampiasainy ihany koa ny volabe nanambazana ireo rehetra rantsa-mangaika azo atao fitaovana rehetra hanerena ny voka-pifidianana ho amin’ny hahalany azy. Tsy atao hahagaga raha ireny tsy niahotra ireny ny filohan’ny Ceni namoaka izany. Ary ny manorisory ny sain’ny olom-pirenena maro, dia izy indray no manao môraly ny rehetra eo am-pamoahana ny vokatra. Izy anefa no tokony handini-tena mafy sy hisaina lalina ny amin’ny hiafaran’ny firenena.

Aoka tsy hanilika ny fahadisoana amin’ny hafa na hisarangotra amin’ny rehetra, fa mipetraha ho irery tomponandraikitra marina mandàla ny fahamarinana izay andrandrain’ny vahoaka malagasy mafy. Asaina miharitra “mpianatra tsy mahay nefa afa-panadinana” izany izao ny vahoaka Malagasy, izay no tanjon’izy ireo. Mazava loatra sy efa fantatra indray koa ny ho vokatr’izany.