AHOANA HOY NY FRANTSAY ?

Modimody tsy miteny sy tsy manana hambara,
Nefa mbola te hibahana eto Madagasikara.
Kandidà vazaha no tiany ary satriny hotohanana,
Ka inoana fa hoekeny izay ho voka-pifidianana!

Fihatsarana vela-tsihy sy mody fanadiovan-tena
No iarahany amin’ny vondrona sy ny iraisam-pirenena,
Saingy tsinjotsinjo ihany fa ny sainy efa manidina
Sady miomana hibahana amin’ny « nosy manodidina »!

Mbola satriny hotohizana izany atao hoe fanjanahana
Ary iretsy « gasy vendrana » no tadiaviny hiarahana.
Ireo no azony vidiana sy baikoina ho havia sy havanana,
Ka dia nisy dian-tanany tamin’ny zotram-pifidianana!

…Na izany na tsy izany, teninay dia tsotra ihany:
Fadin-dambo amin’amboa ny mbola hanaiky ho zanatany!
Olona afaka ny gasy ka dia tena lavinay
Ny mbola hisian’ny mpitondra hobaikoin’ny frantsay!

DADAN’i RIANA (25-11-23)