Fifidianana sy voka-pifidianana – Misy mandrahona ireo mpanara-maso avy amin’ny Safidy

Niaina

Mahakasika ny fifidianana sy ny voka-pifidianana, tamin’ny fifidianana amboletra natao teto amintsika ny 16 novambra lasa teo, misy mandrahona amin’izao fotoana, ireo mpanara-maso ny fifidianana avy amin’ny fiarahamonim-pirenena Safidy.

Araka ny fanambarana nataon’izy ireo: “iharan’ny fandrahonana ireo mpanaramaso SAFIDY eran’ny faritra, ka amin’ny alalan’ny antso an-tariby no anaovan’ireo mpandrahona an’izany. Na nialoha, na nandritra ny fididianana, eny na hatramin’ny fikirakirana ny voka-pifidianana tany amin’ny SRMV aza dia mandeha foana ny fandrahonana ireo olon’ny Safidy ireo”.

Ny mpanara-maso avy amin’ny Safidy, no mpanara-maso ny fifidiana na anisan’ny niparitaka be indrindra manerana ny Nosy, ka mahafantatra tsara ny olana, sy ny hosoka ary ny tsy fanarahan-dalàna maro tamin’iny fifidianana filohampirenena farany teo iny, ka misy matahotra sy voatohintohina any, mahatonga izao fandrahonana miainga any izao.