Transparency International Madagasikara – Tandindonin-doza ny firenena noho ny famoahana vokatra “fôpla”

Stefa

Transparency International Madagasikara, tandindonin-doza ny firenena noho ny famoahana vokatra “fôpla” nataon’ny CENI. Manaiky ny tsy fanarahan-dalana izay mankatoa ny valim-pifidianana nisy. Taorian’ny famoahana voka-pifidianana vonjimaika tetsy amin’ny CENI ny sabotsy teo, namoaka fanambarana ny Transparency International – Initiative Madagascar (TI-IM), mahakasika ny famoahana ny valim-pifidianana vonjimaika sy ireo tsy fanaraha-dalàna maro hitan’izy ireo tao anatin’ny fanomanana ny fifidianana.

“Natao amboletra sy an-terisetra ny fifidianana ary hitan’ny mason’ny rehetra izany hoy ny TI-IM. Tsy niaro ny hasin’ny vahoaka anefa ireo manana ny fahefana hampitsahatra izany. Tandindonin-doza ny firenena noho ny tsy fahaiza-mitantana sy famoahana voka-pifidianana fôpla. Efa fantatra fa mananontanona ny loza saingy nisafidy ny hangina ny maro an’isa ary namela izany hitranga, na dia teo aza ireo tsy fanarahan-dalàna sy tsy fanajana ny zon’olombelona ary ny fisian’ny kolikoly. Mitovy amin’ny fanekena sy ny maha ara-dalàna ireo tsy fanarahan-dalàna rehetra ny fanekena ny valim-pififidianana io.

Azo lazaina fa manaiky ny fanararaotana ny fahantrana ho tetika farany handresena amin’ny fifidianana ny fanekena ireo valim-pifidianana ireo. Mila hajoro ny fanoherana ny tsy fanarahan-dalàna, sy ny fisamborana izay hiarovana tombontsoa manokana ataon’ny fanjakana. Mila mandray ny andraikiny ny tsirairay, hoy ny fanambarana.