Fodiamandry – Afaka nandevina ny zanany lahikely 8 taona ihany i Berija

Niaina

Afaka nandevina ny zanany lahikely 8 taona izay nodimandry ny sabotsy teo ihany i Berija Ravelomantsoa, izay mbola mamita sazy eny Antanimora amin’izao fotoana, noho ny fanagadrana tsy an-drariny ataon-dry Rajoelina sy ny forongony azy. Afaka nivoaka ny fonja izy omaly ary afaka niatrika ny fanaovam-beloma farany ity zanany lahikely ity, niaraka tamin’ny vady aman-janany, ny fianakaviany ary ireo tapaka sy namany. Vao vita ny fandevenana dia tsy maintsy naverina eny Antanimora ihany izy.

Tonga namangy sy nampahery ny fianakaviany ny birao politikan’ny antoko HVM, ny tanora RMDM, ireo mpanao politika avy amin’ny vondron’ny kandidà 10 ary ireo vehivavy mpanao politika,… Tsiahivina fa niditra am-ponja i Be-Rija ny volana jona 2020 ary nomelohin’ny fitsarana hisazy 44 volana an-tranomaizina sazy mihàtra ny Septambra 2020.

Mbola mamita ny saziny 44 volana any am-ponja izy tao anatin’izao fahalasanan’ny zanany izao. Tokony hivoaka ny fonja izy arak’izany amin’ny volana febroary 2024 izao.