CEG Bezezika faritra Menabe – Mampalahelo fa mianatra amin’ny tany ireo mpianatra

Rajepa

Mampalahelo fa mipetraka mianatra amin’ny tany ireo mpianatra amin’ny CEG any Bezezika faritra Menabe. Tranompokonolona tsy misy varavarana zara raha mitafo sady tsy misy dablio, no ianaran’ny mpianatra, misy trano efitra roa mba nomen’ny fanjakana saingy tsy misy fitaovana sady tsy mbola natolotry ny tompony dia tsy azo ampiasaina, ka dia vakivaky fotsiny ao ny rindrina sy fitaratra ary ahiana hirodana ho azy toy ny Tranoben’ny Serasera teo iny, satria efa ho avy ny orana. Miantso ireo malala-tanana, sy izay afaka manampy ireo mpampianatra sy ray aman-dreny ao amin’ity Ceg ity noho ny fahasahiranan’ny ray aman-dreny, tsy hahafahany mampiana-janaka ny any Mahabo sy Ankilivalo ary na dia hiezaka aza izahay hoy izy ireo: ny rano ambolena tsy misy, etsy ankilany koa ny asan-dahalo mamely.