Fividianana fa tsy fifidianana – Foano ny voka-pifidianana hoy ny maro

Beharo

Fividianana fa tsy fifidianana no nisy teto amintsika, noho izany dia tokony ho foanana ny voka-pifidianana tamin’ny fifidianana ny 16 novambra lasa teo hoy ny maro. Vokatra tsy azo antoka no nivoaka tao amin’ny CENI ny sabotsy teo, ary mbola ho vokatra tsy azo antoka izay koa no ho havoakan’ny HCC.

Araka ny hita sy re manerana ny faritra maro, dia tsy azo inoana mihitsy ny voka-pifidianana nivoaka teo noho ny tandrevaka izay misy eo amin’ny Ceni sy HCC raha ny angom-baovao voaray. Teo amin’ny resaka karatra moa, dia lasa nalalaka ny fahafaha-mifidy, eny na dia tsy manana io karatra io aza, tsy hita izay fitsarana nataon’ity HCC ity raha izany, ka nahatonga ny maro hilaza fa tsy “HAUTE COUR CONSTITUTIONNELLE” intsony; fa lasa “BASSE COUR” mihitsy angamba hoy izy ireo. Mihevitra ny vahoaka mpifidy ho vorona sy akoho, tsipazana akotry fotsiny ihany sisa ry Rajoelina sy ny forongony. Manamafy izany ny fanontaniana tonga amin’ny gazety: mba nisy naka sary ve ireny olona tonga nifidy tamin’ny karapanondro ireny fotsiny ihany, nefa efa nambara, fa alaina sary izay mifidy, tsy manana kara-pifidianana, sady olana ho an’ny biraom-pifidianana ihany koa. Mba nisy fangalan-tsary natao ve tamin’ireo BV nahitana tranga mitovy, ka mba voarain’ny Ceni ka ho tonga eny amin’ny HCC? Toa resaka be fotsiny ihany izany.

Ny Praiminisitra teo aloha Monja Roindefo aza moa dia nilaza, fa raha tokony hikatona ny alakamisy 16 novambra amin’ny 5ora sy sasany hariva ny biraom-pifidianana tany atsimo tany, dia mbola nanohy izany ny zoma 17 novambra, ka mahagaga ihany hoy ny filazany : aiza ilay HCC? Tsorina fa mba nahazo fanofanana ihany ny tompon’andraikitry ny birao tsirairay, eo koa ny solontenan’ny kandida na delege, nefa dia kitoatoa fotsiny ihany sisa.

Ny rehetra dia samy mahatsapa izao fa toa novonjivonjena ny famoahana ny vokatra, mety hatao desambra ny investiture fa tsy janoary, mba hanosehana ilay kandidà Vazaha hatrany no paika ve? mba hamonjena ny raharaha maizina any Londres ve hoy ny mpanara-baovao sasany? sa dia efa matahotra ny fanoherana mafy mety hitranga koa, hoy ireo vahoaka very anjara vola farany, voalaza fa tokony ho mbola nomena 300.000 Ar.

HCC tsy azo atokisana koa no misy eto, miray tsikombakomba amin’ny ratsy, tsy manaja ny anjarany intsony, fa dia manome vahana ny tsy rariny hatrany, eny fa na dia ny fanendrena ny filoham-pirenena teteza-MIITATRA teo aza, lasa kitranoantrano sisa.