TSY MILA FILOHA VAZAHA

Filoha vazaha tsy azo ekena fa mihintsana avy hatrany,
Izay no andrasanay vahoaka ka dia tanteraho izany.
Aza asiana dika vilana, aza asiana fanovana,
Fa ampiharo izay voasoratra ao anatin’ny lalàna!

Ny amin’izay antontanisa, aleo hipetraka any aloha,
Fa ny hany zavatra takiana: malagasy no filoha.
Tsy sanatria ‘zahay hoe kentrina na koa efa pahimpahina,
Fa izany no lalàna ka dia aoka hotanterahina!

Raha tsy izany no hitranga fa hitohy ireo amboletra
Ka filoha vazaha no aroso mba hoeken’ny rehetra,
Dia minoa fa tsisy hanaiky raha izay mbola malagasy,
Na handeha ny zera baomba, na hirefotra ny basy!

Fa filoha vazaha, tsy ekena, sady holavinay tsy miato,
Na hahodina ny vokatra na handeha ireo hala-bato.
Malagasy no filoha, izay ny anay no anentanana,
Raha tsy izay, tsy manan-kery izay rehetra fifidianana!

DADAN’i ZINA (28-11-23)