EDITO 28 Novambra – Fifidianana sy voka-pifidianana – Mitombina tanteraka ny ahiahy rehetra hatramin’izay

Sôh’son

Raha niafina nandritry ny 5 taona izay dia niseho vatana ankehitriny, ny fanerena ny vahoaka malagasy hanaiky Frantsay hitondra azy sy ity Madagasikara ity. Nanamafy ny ahiahy rehetra talohan’iny fifidianana natao amboletra fotsiny iny ny vokatra navoakan’ny Ceni, izay vaomiera miharihary fa mitanila ary tsy mahaleotena, no sady natao fitaovana, ny sabotsy lasa teo. Ahiahy mitombina ny amin’ny tsy fahamarinan’ny fanomanana sy ny fanatanterahana ny fifidianana sy ny ketrika maloto tiana hahatongavana ao anatin’izany. Voaporofo mazava izany, fa izay kentrina ihany no tsy afaka hahalala izany, ary koa ankoatra ireo minia mikimpy sy ho jamba noho ny vola nomena azy.

Tsy nisy niraika ny ankamaroan’ny vahoaka malagasy, satria efa fantany ny lainga tsara lahatra atao ao anatin’izao famoahana vokatra izao. Ho toy izany ihany koa ny handraisan’ny vahoaka ny an’ny HCC hivoaka eo, ary mety mbola ho hafahafa ratsy noho ny an’ny Ceni aza, hoy ny mpamakafaka. Satria, ireo no fositry ny ratsy amin’izao fifidianana filoham-pirenena 2023 izao. Tsy nisy izay tsy nahalala ny fitanilan’ireo tomponan’andraikitry ny fifidianana roa ireo, fa tsy nipetraka amin’ny hasiny na kely akory aza na mba hoe nitsinjo ny hoavin’ity firenena ity sy ny taranaka any aoriana. Raha sain’olom-pirenena tsotra fotsiny aza fa manana ny fahamendrehany sy mandala fahamarinana tsy ho sahy velively, ary tsy hanaiky ny sainy ny amin’ny tsy fandraisan’anjaran’ny kandidà sy ny fisiana kandidà naratra tsy afaka hanao fampielezan-kevitra, ka ekena ny hanatanterahana fifidianana toy ireny. Fa eto amin’ity firenena ity izany, iaraha-mahita tsara izao, fa olom-boatendry natao hanatanteraka politika maloto eto amin’ity firenena ity, no mihazona ny toerana tompon’andraikitra sy raharaha lehibe rehetra. Manampy ireo sy miray petsapetsa aminy ilay vondron’olom-bitsy mpikotrika asa maloto na « mafià » hanageja ny vahoaka malagasy sy ny firenena. Tsy atao hahagaga velively raha kianja maloto sy lalao maloto no fomba nanatanterahana iny fifidianana amboletra iny. Mazava loatra rahateo, fa tsy maintsy amboletra ny ahafahana manatanteraka zava-maloto toy izany.

Araka izany, izao izany dia ampidirina anaty sehatra maloto tanteraka ny malagasy sy ny firenena. Ny asa maloto tsy hahazoana asa madio velively, ary fiteny malagasy aza ny hoe “vorondolo tsy hitera-boromanga velively”. Dia tsy atao hahagaga ihany koa, raha mbola lainga hatrany sy fampandriana adrisa na ronono an-tavy no ambaran-dRajoelina tamin’iny sabotsy iny, raha ny momba ny resaka fampihavanana sy firaisan-kina. Mbola hitohy hatrany ny famitaham-bahoaka, ary eo rahateo ireto olony mpamoaka vokatra feno tsy fahamarinana ireto aorianany. Izay no katsahin’izy ireo iainan’ny vahoaka malagasy hatrany, hahafahany mangeja sy mampahantra azy mba azo fitahina sy lalaovina mandrakariva. Hadisoana tanteraka ny manantena zavatra amin’ny olon’ny frantsay mikasa hitondra ity firenena ity.