Paraina Auguste – Ompa ho azy ny filazana fa hiara-hiasa amin’i Andry Rajoelina

Niaina

Manamafy ny kandidà Paraina Auguste fa mafy orina ny firaisankinan’ny vondron’ny kandidà ka tsy azo zarazaraina ampiadiana izy ireo. Nambarany fa:’’mahakasika ny video mandeha any tambazotra serasera dia izao no ambarako: ho anay ao amin’ny collectif des candidats dia sahalan’ny tsy misy io fifidianana io. Maro ny resaka notapahina, ka natambatambatra tamin’io video io izay izao vao hitako. Raisoko ho sahalan’ny ompa ho ahy ny filazana fa izaho vonono hanaiky ny valim-pifidianana sy hiara-hiasa amin’i Andry Rajoelina. Misaotra anareo namana natoky ka tsy nino an’io mihintsy. Mitohy ny tolona miaraka amin’ny collectif des candidats sy ny vahoaka mitady fahamarinana”.