Kandida Siteny – Mangataka fanafoanana ny fifidianana sy ny fanintsanana an-dRajoelina

Isambilo

Nanao fanambarana omaly ny kandidà Siteny Randrianasoloniako sy ireo mpiara-dia aminy. Mangataka izy ireo ny hanafoanana iny fifidianana tamin’ny 16 novambra lasa teo iny, mitaky koa izy ireo ny fanintsanana na ny disqualification ny kandidà Andry Rajoelina. Nangataka koa izy ireo ny fampitahana na ny Confrontation des PV, BV/BV. Nametraka fitoriana any amin’ny HCC koa, mba hanafoanana iny fifidianana feno hosoka iny.

Momba ny PV dia amin’ny baoritra maro ny PV an-tanan’izy ireo araka ny fanambarana. Nilaza ny kandidà Siteny fa: “aza maika ny hamoaka voka-pifidianana raha tsy mazava tsara ny resaka nationalité-an-dRajoelina sy Sendrison Daniela, satria tsy tomombana ny fifidianana rehetra sy ny vokany nohon’ny fisiana kandida tsy mahafeno fepetra. Tsy mifanaraka koa ny PV avy amin’ny Pro Siteny sy ny avy any amin’ny SRMV”.