Tian-kano tsy tian-kano no terena atao amin’ny vahoaka izao

Sôh’son

Fotoana iandrasana tanteraka ny fanehoan-kerin’ny hery velona rehetra eto amin’ny firenena izao, ho fanoherana ny tsy fahamarinana, ny tsy ara-drariny sy tsy hitsiny manjaka na ampanjakaina eto. Efa tena lasa lavitra amin’ny maha firenena maha izy azy ny firenena malagasy ny zava-misy sy ataon’ireo rehetra mihazom-pahefana. Tsy fanjakan’i Baroa intsony no misy, fa fanjakan’ny mpanao izay maha diavolana ny sainy, ka mampanao ny vahoaka tian-kano tsy tian-kano fotsiny izao. Izany hoe atao izay tsy hampanan-tsafidy ny vahoaka malagasy, fa terena hanaiky izay tian’ireo mihazom-pahefana rehetra amin’ny hitantanany ny firenena.

Inona intsony no antenain’ny vahoaka hiaro azy raha ny sokajin’olona ambony izay heverina ho tsy tokony hotohintohinina velively, fa manan-kaja sy hasina, tsy amin’ny tany ama-monina fotsiny ihany, fa eto amin’ny firenena manontolo mihitsy no tsy asiana indrafo, fa anaovana ramatahora sy ampanantsoina eny amin’ny toby fanadihadiana amin’ny heloka bevava ary ampakarina fitsarana mihitsy. Ireo lehiben’ny sendika roa no nihàran’izany. Olona manana ny zony tsy azo kitihina izao “immunité” no ananana fahasahiana lalina misambotra amin-kerisetra sy tazonina andro maro eny amin’izany toerana fanaovana fanadihadiana izany, toy ny olo-meloka. Azo lazaina tanteraka ho sangany amin’ny olom-banona sy élita mihitsy eto amin’ny firenena ireny olona ireny, kanefa tena zimbazimbaina sy anaovana fihetsika na fepetra tsy mendrika fotsiny izao. Izany hoe, ny olona avara-pianarana, ny olom-banona sarotiny amin’ny fiarovana fahamarinana sy rariny sy hitsiny, ka te hampanjaka izany eto no lasibatr’ireo mpihetraketraka mpanao tian-kano tsy tian-kano ireo, satria manohintohina sy manohitra ny fihetsiny sy ny fomba ratsy ataony eto amin’ny firenena amin’izao fotoana izao.

Ny tena hafetsen-dratsy ataon’ireto mpisotasota ireto dia hainy ny manao teny safosiaka mampandry adrisa sy lainga mandrotsirotsy, ho fanampena-maso ireo marivo salosana sy tsy nianatra firy ka mora azo fitahina. Ampiasainy hatrany amin’ny fandraviravezana volabe aza izany, toy ny nataony tamin’ny fifidianana. Soa fa ny maro an’isa amin’ny vahoaka malagasy no nahatakatra izany, ka tsy voavidy vola toy ireo sasany azo fitahina, dia ireny niaraha-nahita ireny ny taha-pahavitrihana nifidy, fa ambany. Eny, na natao mihitsy aza izay nampibontsina izany mba hanafenana ny ratsy atao. Dia izao, na hamoaka voka-pifidianana aza ny Ceni anio sy toy izay koa ny an’ny Hcc, dia tsy hampiraika akory ny olom-pirenena izany, satria efa fantany fa tsy ara-dalàna ary tsy nandeha amin’izay laoniny iny fifidianana iny, fa feno hosoka lozan-tany sy tranga ratsy mbola tsy fahita tato anatin’ny 60 taona.

Izany rehetra izany indrindra no mbola iandrasana ny fijoroan’ny olom-pirenena vanona rehetra, saropiaro amin’ity tany ity sy ny fiandrianam-pirenena, fa tsy lova ratsy feno “lo” no havela hipetraka ho an’ny taranaka fara aman-dimby.