Fikambanana Adopt any Toamasina – Manameloka ny antsojay atao amin’ny Pr Sammy Gregoire

Stefa

Manameloka ny antsojay atao amin’ny Pr Sammy Gregoire, filohan’ny Seces sampana Antananarivo ary zanaky ny Faritanin’i Toamasina, ny fivondronan’ny fikambanana ivondronan’ny zanaky ny faritanin’i Toamasina Adopt. Mitaky izy ireo ny famotsorana an’i Pr Sammy Gregoire RAVELONARIVO, ity fikambanana ity, izay ivondronan’ny zanaky ny faritanin’i Toamasina avy ao amin’ny faritra Atsinanana sy Analanjirofo ary Alaotra Mangoro monina ao Toamasina. Mitaky ny anajanonana ny fanenjehana azy ihany koa izy ireo, manoloana ny zava-misy amin’izao fotoana izao, nandritra ny fanambarana nataony.

Nitondra ny tenin’izy ireo Andriamatoa Razafindrabe Ernest. Tsy tokony hafangaro hoy ny fanambaran’ny ADOPT ny tolona sendikaly sy ny politika politisianina. Zon’ny sendikalista tokoa ny manao fitokonana, nefa izao ampihorohoroin’ny mpitondra tsy ara-dalàna izao izy ireo, ny ao amin’ny Seces sy ny ao amin’ny Randrana Sendikaly ihany koa.