EDITO 25 Novambra – Mihàtra eto amintsika ny “maty tsimanota”

Ny Valosoa

Tsy mbola adino ny fisamborana tsy andrariny nihàtra tamin’ny Sekretera Jeneralin’ny Antoko Tiako i Madagasikara (TIM), tsy ela akory izay dia notazonina ihany koa ny Filohan’ny Vondrona Parlementera Tiako i Madagasikara izay nosamborina tamin’ny fomba tsy mendrika, tsy nohajaina ny lalàna satria ny solombavambahoaka dia tsy azo samborina ao anatin’ny fivoriana tsy ara-potoana sy ao anaty fivoriana ara-potoana.

Tokony hisitraka ny “Tsimatimanonta” voafaritry ny lalàna ny solombavambahoaka, saingy tsy izany no miseho fa ny “Maty tsimanota” no mihàtra eto amintsika, dia ireny niara-nahita ireny ny fisamborana nanjo ireo mpitarika politika mpanohitra sy olontsotra sahy nijoro maneho hevitra, tsy vao tamin’ny Hetsiky ny Vondron’ny Kandida no nisy ny herisetra f’efa nisy ny fisamborana sy fanagadrana ireo niakanjo mena tsy ela akory izay, ireny ilay ambara hoe tetehina ho “Maty Tsimanonta”, ny porofo mitohoka amin’ny tendany tsy azo ihodivirana dia ny nihàtra tamin’ilay mpanankanto tia tanindrazana Ninie Donia izay tena ara-bakiteny mihitsy ilay hoe “Maty Tsimanota”.

F’ireo mitafy ny lokon’ny fitondrana no misitraka ny “Tsimatimanota”, na mamono olona sy manimba fitaovan’olona sy hita porofo amin’ny sary izao aza dia afaka miriaria tsy misy mpikitika.

Ny zavadoza dia terena ho lany fihodinana voalohany, amin’ny fifidianana vitsy mpandray anjara i Andry Rajoelina Vazaha, mandrapivoakan’ny vokatra avy amin’ny “Ceni” sy ny “Hcc” dia sesilany ny fisamborana ireo nahasahy nijoro, ny fatiolona tsy mazava, fa dia lazaina fotsiny hoe “jiolahy” ireo maty novonoina, ny azo antoka izany dia vao mainka hahery vaika ny fanaparampahefana tsy andrariny rehefa hahazo indray ny fahefana avy amin’ny “Hcc” i Andry Rajoelina Vazaha, ka ry volombomboasary mianakavy hisitraka ny “Tsimatimanota”, fa ny hafa, indrindra f’ireo mitafy fotsy dia ho “Maty Tsimanota”.

Tsy kivy isika satria mbola misy ilay Tsitoha mahita ny tsy mety rehetra ary mbola manana ny lanjany sy ny hasiny eto amin’ny tanindrazantsika ny tsiny sy ny tody, noho izany dia tsy hihemotra fa hijoro hatrany ny vahoaka Malagasy, ka tsy hanaiky hatramin’ny farany ny ho entin’i Vazaha Andry Rajoelina. Ny zava-drehetra ihany koa dia tsy maintsy misy ny voalohany sy ny fiafarany.