IZA MARINA NO ADALA ? IZA NO MIVERIN-TSAINA?

Ireo mijoro sy manitsy dia lazaina ho « lasa adala »,
Fa ‘nareo manaotao foana sasatry ny miala bala?
Tena amboarina daholo irony didy aman-dalàna,
Ho fiarovana ireo maimbo ao anaty fitondrana?

Sao ‘nareo eny amin’ny avo no efa tena « very saina » ?
Sao ‘nareo izay matin-tseza no eo an-dalam-pialana aina,
Ka tsy misy zava-banona izay ataonareo rehetra,
Ny hany tena misongadina dia ny « tsindry » sy « amboletra»!

Izay mba sahisahy mijoro dia « mpanongam-panjakana »?
Sao ny fonareo no efa tsy mitempo ara-dalàna?
Tosidra no miakatrakatra ho anareo izay eny ambony,
Fa haneno ny trompetra , tsy azo tanana intsony?

« Very saina », « lasa adala », izany sisa no fandre
Sy zary tsy afaka ao am-bavan’ireo « very lakile »!
Hiavaka eto tsy ho ela ireo izay vendrana voavidy
Sy ny avara-pianarana mpampisotro ny mangidy!

DADAN’i RIANA (16-11-23)