Tsy fandriampahalemana, Ankilivalo Mahabo – Vehivavy am-polony nataon’ny dahalo takalon’aina, omby 100 lasany

Stefa

Miseho lany amin’izao fotoana ny tsy fandriampahalemana, any Ankilivalo distrikan’i Mahabo any amin’ny faritra Menabe. Nidiran’ny dahalo tao amin’ity tanànan’Ankilivalo ity, omaly alarobia 22 Novambra tokony ho tamin’ny 3 ora maraina. Mahery ny 100 ny omby ravan’ireo dahalo tamin’ity toerana ity. Tsy vitan’izay ihany koa fa Vehivavy am-polony avy amin’io toerana io, no mbola nataon’ireo dahalo ireo takalon’aina, nalainy an-keriny. Efa manao ny fanarahan-dia ankehitriny ny fokonolona sy ny mpitandro filaminana any an-toerana.