Angôvo – Tsy mahafehy ny asany intsony ny Jirama

Beharo

Tsy mahafehy ny asany intsony ny JIRAMA, na ny Jiro sy Rano Malagasy, hoy ireo vahoaka marobe sendra anay teny am-pilaharan-drano, paompy feno daba sy bidon tsy tambo isaina teny Amboditsiry, sy Ambodimita ary Besarety sy ny manodidina iny. Ny rano tsy misy efa loza ho an ‘ny rehetra tanteraka mihitsy, nefa ny vola tsy maintsy aloa koa dia lasa fanerena ny tokantrano sasantsasany handoa vokatry ny tsy rariny sy ny tsy fahaiza-miasan’ity orinasa ity hatrany.

Taorian’ny filazana fa ry zareo Jirama mihitsy izao no mitsidika ny mpanjifa, mijery ny jiro na rano lanin’ny tsirairay, dia tsy tontosa izany tany am-piandohana, ka lasa sazy toy jiro sy rano tsy voaloa vola, ka tsy maintsy hanapahana maika ireo vokatra ireo indray. Raha fintinina izany dia ny mpanjifa hatrany no mibaby ny lesoka ataon-dry zareo ireto. Fahasahiranana vokatry ny tandrevaka ataon’ity orinasa ity no hita izao eo amin’ny sehatry ny angôvo, ka anisan’ny mampihemotra antsika haingana eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena, lasa any alohan’ny farany mihitsy raha ny filaharana azo faramparany. Mbola ela vao ho tafarina raha mbola fanjakana vonjy maika, sy tantanina vazaha toy izao no misy eto, hoy ny maro nandritra izany fanadihadiana natao izany.