Fitondrana tsy ara-dalàna sy jadona – Mitohy ny ramatahora ataony amin’ny mpitarika sendikaly

Stefa

Mitohy ihany amin’izao fotoana ny ramatahora ataon’ny fitondrana tsy ara-dalàna sy jadona eto amintsika, izay tarihan’ny jeneraly misotro ronono Richard Ravalomanana, sy ny governemantan’ny Praiministra Ntsay Christian, amin’ireo mpitarika sendikaly eto amintsika. Tao aorian’ny fiantsoana ny mpitarika ny sendika Seces sampana Antananarivo Pr Sammy Grégoire teny Fiadanana, voaantso eny amin’ny zandary Brigade Criminelle eny Fiadanana koa izao ny filohan’ny Randrana Sendikaly Barson RAKOTOMANGA. Araka ny fanambarana nataon’ny ao amin’ny Randrana Sendikaly:’’mitohy hatrany ny antsojay atao amin’ny mpitarika sendikà eto amintsika.

Ankoatra ny filohan’ny SECES Antananarivo dia antsoina eny amin’ny Brigade Criminelle Fiadanana ihany koa ny FILOHAN’NY RANDRANA SENDIKALY Barson RAKOTOMANGA. Tsy azo ekena ny fanitsakitsahana ny zo sy fahalalahana ara-tsendikaly, izay fifanarahana iraisam-pirenena fototra an’ny OIT faha-87 sy 98, ao koa ny lalampanorenana Malagasy tamin’ny 2010 and 31, 32, 33. Voalaza fa manohintohina ny fiandrianam-pirenena koa no iantsoana ity mpitarika sendikà ity eny amin’ny zandary izao, ao anatin’ny zo fototra sendikaly anefa ny fanaovana fitokonana, ka izany dia mbola maneho ny tsy maha-ara-dalàna sy tsy maha tan-dalàna ny fitondrana misy amin’izao.