Politika maloto eto amintsika – Nofofoina hatramin’ny ain’i Ninie Donia mihitsy

Soh’son

Anisan’ny misarika ny sain’ny olom-pirenena maro na ny vahoaka malagasy mihitsy, ny nanjo an’ilay mpanakanto Ninie Donia, rehefa narary notsaboina tany amin’ny hopitaly ary naverin’ny manam-pahefana tany am-ponja avy hatrany ary dia maty tany amin’izany fonja izany. Olona mbola tokony harahi-maso akaiky fa marary mafy no noterena hiverina am-ponja. Hany ka nahitsy fiteny hatramin’ny mpamakafaka hoe “tsy namelana raha tsy maty”. Izany hoe nofofoina mihitsy izany ny ainy noho ny resaka politika tsotra izao. Dia ho tonga hatramin’izany ve ny fanaovana politika eto amintsika? Tsy midika ve izany fa efa tena mivily lalana tanteraka ny fanaovana politika eto amin’ny firenena amin’izao fotoana izao? Tsy toe-tsaina lomorina sy mihemotra tanteraka ary efa lany andro ve izany, ka amin’ny resaka politika no hifofoana ain’olona?

Nahazo vahana teto amin’ny firenena tato anatin’ny 5 taona farany, ary vao mainka niha- nibaribary izany fanaovana tsinontsinona ny ain’olona izany nandritra ny fotoana nisehon’ireo kandidà hirotsaka ho fidiana filoham-pirenena. Vao mainka aza niha-mafy izany talohan’ny 16 Novambra nanaovana amboletra ny fifidianana. Dia ireny niaraha-nahita ireny ny fihetsiky ny zandary sy polisy notambazam-bola, fa tsy nanao ny asany nanaraka ny ara-dalàna intsony tamin’izay nanofanana azy. Nisy ny rà latsaka hatramin’ny aina nafoy mihitsy tamin’ny famoretana ireo vahoaka nitaky ny famerenana ny tany tan-dalàna nidina an-dalambe tao anatin’ny iray volana mahery. Tsy nampiraika ireo mihazom-pahefana isan-tsokajiny izany ary tsy nasiany teny kely akory aza. Nidika ho an’ny olom-pirenena izany fihetsika izany, fa izy ireo mihitsy no tena namporisika ireo mpamoritra vahoaka mahalala ny zony, kanefa giazina tsy haneho izany. Nentin’ireo nirefarefa tanteraka ny fanaovana politika eto amin’ny firenena ankehitriny ary tsy mampiraika ireo mihazom-pahefana ny fahapotehana sy ny fahafaham-barakan’ny firenena.

Soa fa tsy ny mpanao politika rehetra eto amin’ny firenena anefa no manao izany toe-tsaina lomorina izany. Tsikaritra fa misy ihany amin’izy ireo no mitsinjo ny tsy hisian’ny aina afoy toy izany, na fandatsahan’aina amin’ny fikendrena politika izay ataony. Anisan’ny noezahin’ireo kandidà 10 izany tamin’ny hetsika an-dalambe nataony. Nialàny tanteraka ny kajy politika maloto nataon-dry Rajoelina tamin’ny 2009-2010 nanongam-panjakana. Ireo kandidà 10 izany miezaka misintona ny firenena tsy ho latsaka amin’ny politika maloto, ireo mihazom-pahefana ankehitriny kosa mandrirotra izany ho amin’ny mifanohitra amin’izany, ka hitarihana ny firenena ho amin’ny lalan-diso tanteraka. Miova endrika ny fositry ny firenena amin’izao fotoana izao.