Espace Dera Tsiadana – May tao anatin’ny indray mipi-maso

Niaina

Haintrano mahatsiravina no nitranga tetsy Tsiadana Boriboritany faharoa eto Antananarivo omaly atoandro, may tao anatin’ny indray mipi-maso ny Espace Dera Tsiadana, toeram-panaovana lanonana samihafa ani-san’ny malaza eto an-drenivohitra. Araka ny vaovao voaray, “Court circuit” na fifampikasohan’ny tariby mitondra rianaratra, no voalaza fa nahatonga ny firehetana tao amin’ity Espace ity. Mbola anaty fanadihadiana ihany koa ny tompon’andraikitra raha ny nambaran’ny mpamonjy voina.

Tokony ho tamin’ny 12 ora sasany teo no nanomboka nirehitra ny lakozia, vetivety dia nahazo ny trano fandraisana lanonana ary niitatra ka nahazo ireo birao teo anilany. Tsy nisy azo noraisina ireo entana raha ny nambaran’ireo nanatri-maso, misimisy ihany arak’izany ny tetibidin’ny fahamaizana.