Raharaham-pirenena – Fifidianana tsy nanjary iny vita ny alakamisy teo iny

Beharo

Fifidianana feno hosoka, tsy tomombana araka ny tokony ho izy amin’ny ankapobeny, izany hoe tena fifidianana tsy nanjary iny vita tamin’ny alakamisy lasa teo iny, tamin’ny fifidianana filohampirenena fihodinana voalohany teto amintsika. Noho izay antony izay, samy nilaza avokoa na ny mpanara-maso avy eto an-toerana, na ny avy any ivelany, fa mila mifampidinika sy mifampiresaka ny samy Malagasy manomboka izao, mba tsy hisian’ny korontana eto amin’ny firenena.

Nieboebo ry zareo tao amin’ny fitondrana fa hoe: tontosa soamantsara, nilamina, iny fifidianana filoham-pirenena iny amin’ny fomba fijeriny, fa ny ankamaroan’ny vahoaka manerana ny Nosy dia samy nilaza, fa tsy nampazoto ny fanaovana izany, noho ny tsy rariny marobe hita ao anatiny. Ny hosoka eo amin’ny resaka karatra ohatra, dia mampahatsiahy ny tamin’ny taona 2010 indray, tsy hita intsony izay maha-karatra azy, ny fanisana ny mpifidy “Recensement”, izay natao dia efa feno hafetsifetsena, olona tsy monina eny amin’ny fokontany misy anao, no manao azy, tsy mahalala izay mombomba ny toerana andalovany, nefa dia efa nozaraina 300 Ar isan’olona amin’izay trano nataony.

Momba io karatra io mihitsy no nampalaina ny rehetra tsy nandeha nifidy, satria na tsy nahazo aza dia toa mbola afaka nanao izany indray raha nampiseho karapanondro. Tsorina fa tokony miara- mivoaka amin’ny lisitra misy ny olona iray, ny karatra, nefa dia mbola tsy tambo isaina ny tsy nahazo izany. Tsy vitsy ny olona nitondra karapanondro fotsiny, dia afaka nifidy, nefa efa voasoratra anarana amin’ny fokontany 2 na 3 samihafa, tranga iray nolazain’ny mpiambina tanàna eny Analamahitsy eny izany, sady misy anarany io fokontany io, no mbola voasoratra eny Sab-Nam eny izy, ary mbola tsy voafafa anarana any Avaradrano ihany koa, fonenany taloha, ka tonga dia nanaovany soa ho an’ny mpizara vary tsinjo ihany koa raha ny nambarany. Misy ny karapanondro sandoka, ka azo inoana, fa tena sandoka tanteraka ny fifidianana sy ny latsa-bato natao taminy. Ity kara-pifidianana ity dia hitovy amin’ny lisitra izay atao, nefa dia mbola ahitana diso tsipelina, anarana tsy mazava, tsy mifanaraka amin’ny isa isan-tokantrano, fa ao ireo mahazo, hanaterana izany any an-tranony, ao indray ireo voatery manoratra eny amin’ny fokontany misy azy tsirairay indray, ka dia efa kitoatoa tanteraka mihitsy. Nisy ramatoa iray teny Andoharanofotsy teny, tazan’ireo vahiny mpanaramaso tokoa, nalahelo izy fa hoe: azony ny karatra nefa ny anarany tsy tao, dia nolavina, nefa nisy teo alohany, tsy nitondra io kara-pifidianana io, dia afaka nanatanteraka ny anjarany.

Teo amin’ny fanisam-bato, dia niaiky ny rehetra, fa raha mbola niantsoantso teo i Dada, dia mbola azo antoka fa lany, nefa tsy hanao izany izy fa ny fifidianana madio hatrany no tsy maty ao an-tsainy sy ireo vondron’ny kandida miray dia aminy. Tany atsimo andrefana aza, ny totalim-bato azon’ny kandida N°3 sy N°13 fotsiny dia efa mihoatra ny isan’ny mpifidy voasoratra anarana tokony ho avy eo amin’ny biraom-pifidiana iray. Raha izany no fintinina, dia fifidianana feno amboletra, tsy rariny, ary tokony tsy ho EKENA mihitsy iny tamin’ny 16 novambra iny, tsipahina hatramin’ny farany, fa na ny kandida izay tra-doza aza moa, dia tamin’io andro io koa vao nigadona teto an-tanindrazana, fepetra iray ihany koa mbola tokony ho nanemorana iny fifidianana iny.