EDITO 21 Novambra – Kolikoly ara-pifidianana – Fafy lainga indray ireo fanambatambazana ara-bola

Beharo

Fafy lainga indray no hita tamin’ny fanambatambazana ara-bola tamin’ny fifidianana filohampirenena farany teo, izay kolikoly ara-pifidianana tsotra izao. Teny Ambohitrarahaba Antananarivo Avaradrano dia olona marobe nilahatra anjara vola no nisy fa nasaina nanohana ny N°3, ka hoe omena 2-3 andro aty aoriana ny anjara nefa nandamoka. Nisy toy izany koa teny Ambohimangakely, tany Mahajanga, tany Toamasina. Araka izany dia fividianana olona no nataon’ny ekipan-dRajoelina tamin’iny fifidianana iny, satria tsy vitsy intsony izao ireo olona voafitaka, nasaina nanohana hatramin’ny farany dia omena anjara vola hatramin’ny 3 hetsy Ar mihitsy raha ny voalaza nefa tsy hita izany vola izany. Teny Ambohitrarahaba io, dia efa filaharambe no hita tamin’ny toerana iray, fa hoe miandry ny anjarany, teny Ambatolampy sy Ambohibao dia tsy vitsy koa ireo mpitady sitrany ahay, no nilaza fa 4 andro taorian’ny fifidianana no efa niandry anjara vola nefa resabe fotsiny ihany, elo sy tee-shirt ary koveta no fanambatambazana hifidy N°3, dia omena vola hono aty aoriana, nefa dia tsy nisy na nanjavona izany. Ny tany Mahajanga, dia nitovitovy tamin’izany ihany koa, ka dia hita izao fa fividianana olona mivantana hatrany no nataon-dRajoelina sy ny forongony. Fifidianana feno karazana hosoka no hita tamin’ny 16 novambra teo iny, tsy tambo isaina ireo voafitaka izay nilaza, fa raha mbola mitohy ny hetsiky ny vondron’ny kandidà C10 na C11, dia aleon-dry zareo mihogahoga hono hoe: ireto izahay mafiady voafitaka tonga hanampy anareo.

Hita araka izany, fa nivoaka tsikelikely ny tsy marina tamin’iny fotoana iny, ny resaka kara-pifidianana no tena loza tamin’ny rehetra, teo koa ny fanaovana tsikombakomba ny vokatra, ny P.V natao miafina, ary ankehitriny dia mibaribary tsikelikely ny vola izay nozarazaraina mialoha sy tamin’ny androm-pifidianana ary taty aoriana kely, izay nandiso fanantenana ny sahirana, sy ireo tia kely mihitsy. Raha tsorina dia ny vidin’ireo entana izay nozaraina no efa vidiny amin’izao hoy ny mpivarotra namelatra ireny elo ireny, satria mitontaly 2 hetsy Ar eo izany, ary ireo jiro fandrehitra sy panneau solaire izay nozaraina, dia fanampenam-bava fotsiny ihany koa, satria mifanindry tanteraka amin’ny delestage izay tsy mitsahatra hatramin’izao. Ny tsara hoy ireo voafitaka dia manohy ny tolona, ary manongana mihitsy sao tratry ny tsy ampoizina eo indray.

Fehiny, tokony hahintsana na disqualifier-na Rajoelina tamin’iny fifidianana iny satria maro ireo kolikoly ara-pifidianana nataony, manginy fotsiny koa ny fampiasana fiaram-panjakana sy tranom-panjakana nanaovan’izy ireo fampielezan-kevitra. Ho sahy ve ny HCC? Ho hita eo!