Filohan’ny Antenimierampirenena sy FFKM – Nampisavorovoro ny sain’ny vahoaka ny fifidianana teo

Stefa

Nanao fanambarana teny amin’ny Antenimierampirenena teny Tsimbazaza ny alakamisy hariva teo, ny vovonana filohan’ny Antenimierampirenena (PAN) sy ny FFKM: Fiombonan’ny Fiangonana Kristiana eto Madagasikara. Nitondra ny tenin’izy ireo ny filohan’ny Antenimierampirenena Christine Razanamahasoa: “nigadona ny datin’ny 16 novambre 2023. Samy nanefa ny adidiny na ny nifidy na tsy nifidy araka ny andraikitra sahaniny avy. Tsy hifanomezantsiny, fa ny Vovonana dia mangataka hatrany ny hanemorana ny fifidianana. Sanatria tsy niteniteny foana ny Vovonana raha nitatitra ny ahiahin’ny maro, fa hisavorovoro ny sain’ny vahoaka, ka tonga ary ny fotoana hifampandinihantena sy handinihantsika ny dikan’ny fifidianana, fa tsy hifikitra fotsiny amin’ny famakafakana ny fahombiazana na ny mety na ny mety tsy fahombiazana. Izany no anantitranteran’ny Vovonana fa mbola tsy levona akory ny fanantenana. Izao indrindra no fotoana tokony hahatsiarovantsika, fa hafatra sy fenitra ary finiavana nananan’ny Vovonana hatramin’izay dia tsy totan’ny andro. Koa SAHIA ary isika hiara-midinika, hifanakalo hevitra sy hifampizara, mba hifanohana amin’ ny finiavana. Masina ny Malagasy, manana ny hasiny i Madagasikara, ka tsy afaka handrarak’ilo mby an-doha isika. Ho ela velona anie ny Repoblikan’i Madagasikara”.