Depiote Fetra Ralambozafimbololona – Navotsotra, arahi-maso ara-pitsarana, ny 12 desambra ny fitsarana

Niaina

Navotsotra omaly ny depiote Fetra Ralambozafimbololona, depiote TIM ao amin’ny Boriboritany faha-5 ary filohan’ny vondrona parlemantera Tiako i Madagasikara, rehefa notazonina tsy ara-drariny sy tsy ara-dalàna teny amin’ny zandary Fiadanana nandritra ny andro maromaro. Arahi-maso ara-pitsarana izy ary ny 12 desambra ho avy izao ny fotoam-pitsarana. Ankoatra izany, saika hitsidika azy teny amin’ny zandary ao amin’ny sampana fikarohana heloka Bevava Fiadanana omaly ny avy amin’ny vondron’ny kandidà, depiote maromaro ary ny sekretera jeneralin’ny antoko TIM, Rina Randriamasinoro, nefa tsy navelan’ireo mpitandro filaminana niditra namangy izy ireo. Nanambara ny depiote Mamy Rabenirina fa: “tsy azo tsidihina ny solombavambahoaka Fetra Ralambozafimbololona, izay zavatra tsy ara-dalàna sy tsy manaja ny zon’olombelona”. Efa andro maromaro ity olom-boafidy ity no notazonina teny ary izao navotsotra izao ihany omaly, rehefa niakatra fampanoavana.