Transparency International Madagasikara – Mbola tsy tara ny mpitondra raha hiverina amin’ny lala-mahitsy

Stefa

Manoloana ny fifidianana maloto sy natao amboletra ny alakamisy teo, nanao fanambarana ny Transparency International Initiative Madagasikara (TI-MG). Mampitandrina izy ireo ny manampahefana malagasy amin’ny loza ateraky ny fanekena ho ara-dalàna ny zotram-pifidianana manjavozavo sy sambotsamborina toy ireny. Mbola tsy tara raha hiverina amin’ny lala-mahitsy ny mpitondra ankehitriny. Ny 31 oktobra 2023 dia efa namoaka tombana amin’ny mety ho fandanian’ny kandida amin’ny fifidianana ny TI-MG. Rehefa nanao tombana indray izy ny andron’ny fifidianana 16 Novambra 2023 dia nahatsapa, fa mbola mihoatra noho ilay tombana voalohany aza izany fandaniana izany. Ny Transparency International dia mamerina ny antso avo amin’ireo kandidà amin’ny fanatanterahana ny mangarahara amin’ny loharanom-bola ho an’ny fampielezan-keviny. Manampy trotraka izany ny « audit », na ny fitsirihana izay nataony araka izao :
– 460.000 ny tsy fahatomombanana momba ny karapanondro.
– 73.736 ireo doublons.
– 2.208.768 ireo soratra diso.
– 4,5 tapitrisa ny olom-pirenena tsy voasoratra anarana.