Hamaky ny tohiny:
Pejy 1 – PDF
Pejy 2 – PDF
Pejy 3 – PDF
Pejy 4 – PDF
Pejy 5 – PDF
Pejy 6 – PDF
Pejy 7 – PDF
Pejy 8 – PDF
Pejy rehetra – Ny-Valosoa-Vaovao-18-novambra-2023
Karamaina hatrany amin’ny avo efatra heny ry zalahy mba hiazona ny toerany e! ... TohinyFintinina
11 ora lasa
MPANAO GAZETY
(Entina hampaherezana ireo mpanao gazety iharan’ny antsojay sy ny fanenjehana)
Misy ireo mpanao gazety tena fatra-pisolelaka,
Loza raha hanindrahindra ireo mpitondra sy ny tariny.
Hainy ny manasohaso sy mameno ny takelaka,
Amim-pomba sy fiteny feno lainga novokariny.
Raha jerena izay ambarany dia ho tsapa miharihary :
Lahatsoratra poakaty feno hevitra fanary.
Tsy mitaiza ny vahoaka hahafantatra ny marina,
Fa mampianatra azy kosa mba ho « bado » mora anarina.
Misy koa mpanao gazety tsy mivoatra fa dia « mianina »
Amin’ny fitantarana zava-misy tetsy, tatsy.
Tsara ireny saingy indrisy, moa tsy ambinambin-kanina?
« Ro matsatso tsy ampy sira », tsy azo heverina ho vatsy!
Fa ny andiany manaraka, tia mikatsaka ny Rariny,
‘Reo no hoe mpanao gazety « tena izy » fa tsy « sariny ».
Tsy voavidividim-bola sy sakafo toy ny ankizy,
Fa mpanao gazey mendrika, izy ireo no « tena izy »!
Tena vonon-kanambara izany « mety » sy « tsy mety »,
Fa izay mihitsy anie no tena hoe mpanao gazety.
Tsy baikoin’ireo mpitondra mba hanaraka ny heviny,
Fa dia vonona hizaka ny eso sy ny levileviny!
…Soa fa nisy anao sakaiza, soa fa nisy anao ry zoky,
Tena hoe mpanao gazety, sahy sedra, mahatoky.
Tsy mivonona hitsoaka, tsy matahotra hotsaraina,
Fa mitolona isan’andro nefa tsy miferin’aina.
Soa fa nisy anao nijoro sady tsy mba nihalangalana,
Soa fa nisy anao hanoro ireo mpitondra diso lalana.
Soa fa nisy anao hitaiza ny vahoaka manontolo,
Soa fa teo ianao sakaiza, namana mpanolokolo!
Fa ny hoe mpanao gazety dia mpitolona tsy vizana.
Izy ireo sy ny poety, manan-toetra itovizana.
Vonona ny hotsaraina, (sanatria tsy hiala vehana),
F’efa tena nosedraina tami-memim-panenjehana !
(Nalaina tao amin’ny asa soratr’i SEDERA RAVALISON mitondra ny lohateny hoe : MANDRESY NY MARINA (31-12-2000)
www.gvalosoa.net/2023/12/09/mpanao-gazety/ ... TohinyFintinina
3 andro lasa
Comment on Facebook MPANAO GAZETY ...
Marina loatra
Gasikara Fenosoa – Navela nody, tsy fantatra ny ho tohin’ny fanadihadiana
RJ
Nohadihadiana teo anivon’ny sampana misahana ny ady heloka ady heloka bevava ao amin’ny zandarimaria teny Fiadanana omaly, ny mpanao gazety Gasikara Fenosoa ao amin’ny fahitalavitra tsy miankina iray. Naharitra ora 3 mahery ny fakana am-bavany azy. Natrehan’ny mpisolovava Eric Rafidison, sy ny filohan’ny holafitry ny mpanao gazety eto Madagasikara (OJM) Rasoloarison Monica ny raharaha. Tsy nisy nipika ny fanadihadiana, nambaran’ny mpisolovava, fa mbola hitohy izany fanadihadiana izany, amin’ny fotoana mbola tsy fantatra. Maro ireo mpanao gazety sy fikambanana mpanao gazety tonga niandry ny vokatry ny famotorana, anisan’izany ny FAJM, na Federasionan’ny fikambanan’ny mpanao gazety eto Madagasikara, sady ho firaisankina amin’ny asa fanaovan-gazety sy amin’ny namana Gasikara Fenosoa. Voalaza fa ny fandaharana nanasany an’i Tabera Christian, no votoatin’ny fiantsona ary vesatra niampangana azy dia ny fitaomana ny miaramila hikomy.
www.gvalosoa.net/2023/12/09/gasikara-fenosoa-navela-nody-tsy-fantatra-ny-ho-tohinny-fanadihadiana/ ... TohinyFintinina
3 andro lasa
Comment on Facebook Gasikara Fenosoa –...
Fampitahorana fotsiny! Jiolahimboto mpitondra ,mpitsara, zandary,
Vondron’ny kandidà – Hitohy amin’ny herinandro ny hetsika manerana ny Nosy
Isambilo
Nitafa tamin’ny mpanao gazety teny Andraharo omaly, ny vondron’ny kandidà 11, nisongadina fa hitohy amin’ny herinandro ho avy io ny hetsika manerana ny Nosy.
Araka ny fanambarana nataon’izy ireo omaly: “Mitohy ny tolona!”. Mitsangana ny “Cellule de crise” izay hamaritra sy handrindra ireo hetsika rehetra hatao manerana an’i Madagasikara manomboka amin’ny herinandro ho avy izao. Tsipahinay marindrano ny fianianana ho Filoham-pirenena izay kasain’Andriamatoa Andry Rajoelina hatao ny 16 desambra 2023 ho avy izao, izay mbola fanitsakitsahana ny fiandrianam-pirenena ihany koa.
Ankoatr’izany, namolavola lalàm-pifidianana vaovao ny “Collectif des candidats”, hanatsaràna ny lalàna efa misy. Etsy andaniny, noraisina ny soso-kevitra avy amin’ireo mpanara-maso ny fifidianana sy ireo mpiara-miombon’antoka amintsika, ary etsy ankilany, tsy maintsy sorohana ireo krizy politika hateraky ny fifidianana toy ireo efa nitranga matetika, ka niteraka fahasahiranana,” hoy Andriamatoa Hajo Andrianainarivelo raha nitondra ny tenin’ny vondron’ireo kandida omaly.
www.gvalosoa.net/2023/12/09/vondronny-kandida-hitohy-aminny-herinandro-ny-hetsika-manerana-ny-nosy/ ... TohinyFintinina
3 andro lasa
Andry Rajoelina – Tsy manana ny fanohanana sy fankatoavan’ny vahoaka Malagasy
Andry Tsiavalona
Manaporofo ny tahotr’i Andry Nirina Rajoelina, na dia lany tamin’ny alalan’ny didy navoakan’ny Fitsarana Avo momba ny Lalàmpanorenana aza izy, fa tsy manana ny fanohanana sy fankatoavan’ny vahoaka Malagasy (légitimité) ny fahalaniany. Hiteraka tsy fahamarinan-toerany eo amin’ny lafiny politika izany toe-javatra izany ka efa manao hetsika sy vava tsy mifanaraka amin’ny Lalàmpanorenana sahady Andry Nirina Rajoelina.
Tsy vao izao no nanitsakitsaka ny Lalàmpanorenana ity filohan’ny Repoblika IV ity fa nandritra ny dimy taona nitondrany. Angamba didy tsy azo ivalozana izay avoakan’ny Fitsarana Avo momba ny Lalàmpanorenana kanefa na dia ity Andrim-panjakana ity aza dia miverin-dàlana toy ny fozaorana tsy an-kijanona. Manaporofo izany ny fanendrena ny filoham-panjakana mpisolo toerana taorian’ny fametraham-pialan’i Andry Nirina Rajoelina ka nomeny ny governemata izany fahefana izany kanefa dia nanendry ny filohan’ny Antenimieran-doholona, napetraka tamin’ny fomba tsy ara-dalàna indray, hiara-mitantana izany toeran’ny filoham-panjakana mpisolo toerana izany indray ny Fitsarana Avo momba ny Lalàmpanorenana. Mbola amin’ny 16 desambra 2023 vao hanao fihanianana i Andry Nirina Rajoelina dia efa nitarika delegasiona tany amin’ny Cop 28, tany Dubai sahady izy ka nandany ny volam-bahoaka tamin’izany.
Etsy an-kilany dia tsy misy manaiky ny nanatanterahana iny fifidianana tamin’ny 16 novambra 2023 iny ny maro an’isa ka porofon’izany ny nanarahan’ny fitopolo isan-jato maherin’ny mpifidy ny toromarika nomen’ny Vondron’ny kandidà 10 tsy nandatsa-bato. Tsy azo lavina ny tsy fahampian’ny fampahafantarana ny vahoaka ny Fitsipiky ny Fifidianana (Code Electoral) fa na firy na firy ny mpifidy tonga mandatsabato dia lany foana izay mahazo vato betsaka indrindra. Niteraka fahadisoam-panantenana (frustration) ho an’ny maro izany kanefa tsy midika fa mandresy Andry Nirina Rajoelina satria araka ny efa voasoratra esty ambony dia tsy hisy filaminana ara-politika eto amin’ity Nosy ity manomboka izao. Ambonin’izany dia ny toe-javatra sahala amin’izao dia hiteraka herizika vaovao ho an’ny olompirenena tena tia ny tanindrazany satria tsy misy manaiky filoham-pirenena frantsay izany satria famerenana ny fanjanahantany sy ny fanandevozana indray izany. Iaraha-mahita ihany koa ny ezaka ataon’ny Vovonana tarihan’ny Filohan’ny Antenimieram-pirenena sy ny Fivondronan’ny Fiangonana Kristiana eto Madagasikara miaraka amin’ireo Olobe eto amin’ny tanàna hitadiavana vahaolona amin’izao loza mihatra amin’ny Firenena izao. Mibaribary indray tato anatin’ny andro vitsivitsy fa mitady ny fomba rehetra hanapotehana ity Vovonana ity ny mpitondra ary azo hinoana fa ao ambadik’izany i Andry Nirina Rajoelina satria mampiady mpirahalahy iray tampo.
Tsy mitsahatra ny miakatra tsy misy fitsaharany ny fankasitrahan’ny maro ny Profesora Ranjeva Raymond noho ny traikefa hananany eo amin’ny famahana olana hatrany ivelany, indrindra teto Afrika. Niaraha nahita fa mpitondra tenin’ny Vovonana ity Olomangam-pirenena ity teo amin’ny fihaonana tamin’ireo mpiara miom-bonantoka amin’ny Madagasikara. Iaraha mahalala ihany koa fa anisan’ny olompirenena tsy mankasitraka ny fanatanterahana ny fifidianana ny 16 novambara 2023 izy ary ny antony lahibe amin’izany ny tsy fanekena ny naha kandidà an’i Andry Nirina Rajoelina noho ny maha frantsay azy. Heverina fa izany fijoroan’ny Profesora Ranjeva Raymond amin’ny fahamarinana sy ny fikatsahany ny famerenana ny tany tan-dalàna no anton’ny nanendrena ny rahalahiny, ny Jeneraly Ranjeva Marcel, ho « Grand Chancelier » hametraka ny mariboni-nahitra ambony indrindra amin’i Andry Nirina Rajoelina izay midika, araka ny hevitry ny mpitondra, fa manaiky ny maha filoham-pirenena azy ny Jeneraly ary manohitra izany fijoroan’ny rahalahiny izany. Masina ny Tanindrazana ka tsy azo hadinoina fa: « ny daka no misy am-badika, ny loka no misy an-koatra; ny akanjo no soa misy paosy; ny trano no tsara misy efitra; ny tambin-toko no atao anankina; ny salaka no atao sisik’ila; ary ny hofak’ondry no soa mitsimbadika; fa ratsy koa raha ratsy, lehiretsy, raha mba mivadika ny marina».
www.gvalosoa.net/2023/12/09/andry-rajoelina-tsy-manana-ny-fanohanana-sy-fankatoavanny-vahoaka-mal... ... TohinyFintinina
3 andro lasa
EDITO 9 Desambra – Mila sakanana ny hilentehan’i Madagasikara
Sôh’son
Mitohy hatrany ny fanilatsilahana ny vahoaka ka manamafy ny fipatitahany. Efa nandritry ny taona maro no nisian’izany, niha-nibaribary tamin’ity taona 2023 ity nialoha sy nandritra ny fifidianana amboletra natao teo iny ka mandraka ankehitriny. Niseho izany tany amin’ny fotoanan’ny fihanaky ny valanaretina teto amin’ny firenena ka nanomezana tolotra ireo nambara ho sahirana ara-pivelomana kanefa tsy izay loatra no nitranga, fa nisy aza fianakaviana tena sahirana sy nila fanampiana mafy tamin’ireny fa tsy nisitraka izany. Efa teo rahateo moa ny natao anjorombala sy nailika noho ny tsy fitoviam-pijery ara-politika eto amin’ny firenena sy ny amin’ny tokony hitantanana ny firenena. Efa nandritry ny taona maro no nisy fizarana roa ny lalana nalehan’ny mpiray firenena, fa tsy iray dia hany ka tsy atao hahagaga raha tsy tratra izay tanjona nambara sy niedinedenana hatrany ivelany. Tsy atao hahagaga raha toy izao no manjo ny firenena sy ny toerana misy azy satria tsy maintsy misy voka-dratsiny ny politikan’ny fiheverana, fa mety ny hizarazarana ny vahoaka ka misy omena tombon-dahiny manokana satria misolelaka sy manasohaso ny mpitondra sy mety aminy.
Dia ireny niaraha-nahita sy nandre ireny indray ny vao nitranga ny alakamisy lasa teo. Dia misy faly ery amin’izany sy mihoby ny mpanome zavatra azy, kanefa asa raha mba fantatr’izy ireny ny ho vokany, izay efa misy mitranga amin’izao fotoana izao. Toy ilay sambo lehibe “Titanic” nidona tamin’ny vaingan-dranomandry lehibe i Madagasikara ny zava-mitranga ka tsy avy dia ho vaky tanteraka sy hiditra ny rano, ary ny farany ho rendrika tanteraka. Mila fanafodiny haingana ny zava-misy raha tsy tiana ny ho tonga amin’izany. Kanefa raha mbola mikiry biby manohy ny ataony ny eo amin’ny fihazonam-pahefana sy fitondrana dia tsy maintsy ho izany ihany no iafaràny. Sa efa izay no tiana ho tonga eto? Sanatriavina izany, ary mbola misy ireo olom-pirenena miezaka mifofotra mafy hiaro ity firenena ity na nioezahina notakonana, notampenam-bava sy natao izay hiforetany eo.
www.gvalosoa.net/2023/12/09/edito-9-desambra-mila-sakanana-ny-hilentehani-madagasikara/ ... TohinyFintinina
3 andro lasa
Vidio ny gazetintsika NY VALOSOA VAOVAO Sabotsy 9 Desambra 2023.
Azonao vakiana eto:
www.gvalosoa.net/2023/12/09/sabotsy-9-desambra/
Tranonkala :
www.gvalosoa.com na
www.gvalosoa.net
Serasera FB Valosoa: m
gvalosoa.net/FB-Valosoa
Tahirin-gazety: gvalosoa.net/tahiry/
Fikarohana: gvalosoa.net/?s= ... TohinyFintinina
3 andro lasa
08/12/2023. COLLECTIF DES CANDIDATS
FANAMBARANA ... TohinyFintinina
3 andro lasa
Comment on Facebook 08/12/2023. ...
Misaotra tompoko dia miandry ny vahoaka eh
Fanambarana isanandro zao atao nefa tss vokany aiza ery zalah tsy anao zay tiany atao eto!
Pacifique tsy izy tson Mila manova stratégie
Niverina tolon'ny Cc11 indray fa tsy tolom-bahoaka ,ajanony ny kajikajy politika nareo fa tanindrazana jerena
Raha tianao hazava @ nolo izany dia ataovy tamberina eto na @ TV misianareo NY zava niseho s'y mbola misy aminizao ohatra fanakanana NY hafa tsy hamory olo ,NY fanambanana basy amon'ny izay tsimitovy hevitra,NY fiskarany vidipihainana izay tsimitsahatra izany averimberenana mandra pisiny marimaritra hiraisana
Mita be tsy lanin’ny mamba ary firaisankina no hery.
Ny pacifique efa tsy nahomby ary ny fanambaràna isan'andro koa tsy mahavita azy fa raha tsy mitandrina nareo dia ho alohan'ny vahoako koa
Taïro Ary e....
Manambara indray ny antokon ny resilava
de aon zany nefa zah efa vonona we ho any hanatrika an io
Tsy maba reraka amty fanambarana tsy ahitambokany ity vé nareo e.Sa izao ilayoe tsy maintsy miteny fotsiny Zao MBA hialana amin''ny henatrolona
Manameloka, mitsipaka,manamafy mitohy ny tolona😂😂😂Loza
07.12.2023 - Andry Rajoelina nanatrika ny fihaonambe iraisampirenena momba ny toetrandro (COP28) any Dubai miaraka amina delegasiona tsy tambo isaina. Tsara ny manamarika fa tsy afaka misolo tena ny firenena malagasy amimpomba ofisialy mialoha ny fianianana ity kandidà lany tamim-pomba amboletra. ... TohinyFintinina
4 andro lasa
Comment on Facebook 1764140243706142_860872326038434
Tena mahatsiravina ka...
Efa tsy misy irahirahianay an'izany lalana izany intsony! Efa hitsahany hatrany an-tampon-doha Ramalagasy!
Ho tsimponinareo fozaorana tsirairay daholo ve izay rehetra manelingelina ny sainareo e! ... TohinyFintinina
4 andro lasa
Comment on Facebook 1764140243706142_860813496044317
Raha ny fahitako aloha dia raha mahita ity mpanao gazety ity aho dia tsy mipetrka @ maha mpanao Gazety azy fa mpanohitra raha ny fametrahany fanontanina,fa indrindra fa raha mpomba an'i Rajoelina no vahiny asainy ao.
MATAHOTRA ADINA AM-BAVA ?
Kanosa daholo ireo mpanatanteraka
Ka dia matahotra hadinina am-bava?
Sa tena governemanta miveraka
Sy efa tsy zatra ny lala-mazava?
Ireo olom-boafidy no tena atahorana
Fa maro loatra ireo ratsy efa vita?
Mampiaiky ny lotonareo fozaorana,
Ka dia afenina mba tsy ho hita?
Dia any amin’ny adina an-tsoratra sisa
No indreo mifanoro, manomana paika,
Mba hoenti-manarona ny disadisa,
Sy ny fanakianana mahery vaika?
Kanosa daholo ireo mpanatanteraka
Nony mba mihaona amin’ny olom-boafidy?
Sa be ny natao ka manomboka ho reraka,
Dia mitsoatsoaka mandositra adidy?
…Jereo i Gasikara fa io miady gisitra,
Ny olana koa dia tsy misy voavaha.
Mba mieritrereta ianareo ry minisitra,
Sy ny mpanohana filoha vazaha!
IRINA HO TAFITA (06-12-23)
(sary Tia Tanindrazana)
www.gvalosoa.net/2023/12/07/matahotra-adina-am-bava/ ... TohinyFintinina
4 andro lasa
Marary tanteraka ny fiaraha-monina malagasy… diso masiso loatra ny lohany! ... TohinyFintinina
4 andro lasa
Comment on Facebook AMPONDRALAVA ...
Narcisca Razafy
Merci rajoelina! Mbola tsy nisy tao anatin’ny 60 taona!
Nandritr ' izay nitondran - dRajoelina izay dia miseho daholo izao loza sy tranga hafahafa izao. Noho izany, samia mivavaka fa mandrovi - tsihy i Satana, satria fantany fa kely sisa ny androny. Mirary fihononana feno ho an 'ny vady aman - janaky ny ben 'ny tanàna sy ny fianakaviany .
Indrisy! Ilay vazimba tapak’amponga jiolahimboto fitondran-tena no natao handimby an’itompokolahy Honoré Rasolonjatovo (Papa Solo). ... TohinyFintinina
4 andro lasa
Comment on Facebook ANTENIMIERAMPIRENENA:...
Fety izany miaraka @ gros bras isany!… dia vao maika hibontsina sy hanao deba be izany i tapak’amponga!
hatrany ve mangalatra
Loza ! Halatra , Halatra n'aiza n'aiza!
Institut Supérieur manimba mpianatra : mpianatra lalàna
Andriamasy Leon : mpianatra lalàna ve izao ? Dia tena manimba mpianatra, mpianatra lalàna mihitsy ity Institut Supérieur ity.
Paramedy Ralibera : simba ny fampianarana eto!
William Ramboatiana : mahamenatra, institut supérieur tsy mendrika ny hisokatra mihitsy, averina T3 ny mpampianatra namoaka io sujet io.
Marc Olivier Ratsisalovanina : tsy ny mpampianatra ihany fa na ny tompon'andraikitra aza hita fa tsy manana ny fari-pahaizana akory.
Hubert Alison RAkotoarivony : fahafaham-baraka tanteraka. Izao ve zany ilay hoe "l'exemple vient d'en haut" ?
William Benala : ireo CFP, sns… maniry ohatrin'ny anana ireo anie ka fanambakana zanak'olona ny ankamaroany e !
Luc Razakamahefa : na ny fond na ny forme: tsisy ilana azy. Mila fanarenana tanteraka. Fa tsy hoe rehefa mioeraoera dia mandroso izay.
Carlo Randrianantoandro : tena kivy aho, mahonena ianao ry Gasikara. Kely karama loatra e. Miala manao zavatra hafa ny mahay.
Dani Randriantsoa : mila jerena haingana, fa toy ny tongo-bakivaky sady maharary no mahamenatra.
Voangy Nirina Charline : tokony hitandrina isika mpampianatra.
Mirza Rakoto-Andriambalo : mila mamaky boky koa ny olona rehetra amin'ny fitenin-drazana na vahiny hampitomboana ny fahalalana, fahaizana indrindra ny fanoratana, ny fampianarana homen'ny mpanabe dia fototra fampianarana amin'ny ankapobeny ihany ! Mahereza daholo tompoko.
Irène Ravalison : Institut Supérieur! Tena henjana kosa izao an! Na any anelakelatrano ary dia misy Université Privée! Nahazo alalana ve ny nanokafana azy ireny sa faoany faoany fotsiny?
Nary Solofo Rajohnson : tsy misy descente mihitsy angambany natao fa tonga dia OK ny dossier.
Aimé Dewa : Irène Ravalison : anelakelan-trano no izy tompoko.
Luc Razakamahefa : izaho mino fa mahay bé zareo fa corrections automatiques ireo.
Pasco Martin : mampalahelo eh !
Tsoavina Randriamanalina : l'avenir de la justice en général et de la HCC en particulier est rayonnant.
Voahirana Ramaroshon : d mpampianatra firy no nandalovan’ io sujet io d tsy misy iray ni- corrigé v alohan’ny examen, mampalahelo ! ... TohinyFintinina
4 andro lasa
Comment on Facebook Institut Supérieur ...
Otrin zao dhl ny zavamisy @ fampianarana fa tsy io ihany Sekoly iray lehibe eto Tana koa no nahitako faute grave ataon’ny mpampianatra 😭
Fa ilay sujet tsy teto Madagasikara
Indrisy 😭
Tany Alger io fa tsy teto Mada
Simba isika eh Tsy misy sahy mitsabo ny aretina
Raha teny Malagasy diso ve izany de mba mety ahoana koa ny réactions hita teto ?
Inthox io
Hoy ny sarababembahoaka izay hoe ianareo koa dia misahirana fa angaha io tenin-drazana fa rehefa azo dia izay no zava-dehibe 😢
Tsy eto Mscar io fa tany ivelany.
Nandalo tao ry Bebeto uprim!
Honteux
Tena n'a any @primaire kely ireny kosa aza ve?5phrases d'efa plus de 10fautes?De eritrereto @zany n'y mpianatra mivoaka avy ao! Looza
MADAGASIKARA AN’NY MALAGASY
Hiverina ho zanatany indray i Madagasikara,
Io no sary mahonena izay manomboka ho tazana.
Efa indreo mihirahira ny olona tsivalahara,
Efa indreo mitehatehaka ny mpivaro-tanindrazana!
Miomankomana daholo iretsy mpiaraka miletra,
Ny mpanohana andry boboka sy ‘reo olona voavidiny,
Ary hitohy ny asa maloto sy ny bizina voretra
Ka vao mainka hitombo isa ireo mahantra faraidiny!
Tsy ny ho an’ireo vahoaka na ny hikendry izay hiadanany
No imasoan’ireo mpitondra sy ireo manan-toerana avo,
Fa dia tena ny hampitombo ireo harena sy fananany,
Ka handeha indray ny herisetra miampy ny tsindrio fa lavo!
…Hiverina ho zanatany indray i Madagasikara
Ka dia miantso anao izay mbola mihevi-tena ho malagasy.
Mijoroa f’aza matory, ‘ndao hanova ny tantara,
Na hidoboka ny baomba, na hirefotra ny basy!
Na hitohy ny herisetra sy karazam-pandrahonana,
Na hiseho ny fanambazana sy ny fividianana olona,
‘Ndao hanandratra ny marina, ao ve ny fahavononana?
Aoka tsy hikoso-maso, ‘ndao hiaraka hitolona.
Firenena tan-dalàna, miaina anaty fahamarinana,
Izay no ‘ndeha hiombonantsika ka mifanolora tanana.
Aoka tsy hitazam-potsiny, ampy izay ny fahanginana,
Fa i Madagasikara firenena iaraha-manana.
Ka holavina tanteraka ny olon’ny mpanjanatany,
Tsy hisetrasetra intsony na hibahana eto an-dasy.
Raha izay hoe filoha vazaha dia tena tsy azo ekena izany.
Isika tsy baikoin’ireny, olona afaka ny gasy!
TSIMIMALO (05-12-23)
www.gvalosoa.net/2023/12/07/madagasikara-anny-malagasy/ ... TohinyFintinina
4 andro lasa
Nosy-Be – Hanohy ny tolona nataon’i Ninie Donia ny zanany
Stefa
Nanambara ny zanak’i Ninie Donia tao amin’ny kaontiny amin’ny tambazotran-tserasera sosialy, fa hanohy ny tolona nataon’ny reniny. Tolona ho an’ireo vahoaka nalain’ny sasany ny taniny no ho tohizany amin’izany, tolona iadiana amin’ny tsindry hazolena mahazo ireo mponina any amin’ny Nosy Manitra ataon’ny mpanambola vahiny sy tompon-tany miray petsapetsa aminy any an-toerana. Nanambara i Jean de Dieu zanak’I Ninie Donia fa: “nianiana teo anoloan’ny fasan’i Mama aho ho tohizako ny tolona izay nataony, hamafisiko fa hiasa aho hamita izay natombony. Tahaka ny reniko, ny fahafatesana ihany no mahasakana ahy. Ho avy tsy ho ela aho ry vahoakan’i Nosy-Be. Mitohy ny tolona”, hoy ny fanambarany.
www.gvalosoa.net/2023/12/07/nosy-be-hanohy-ny-tolona-nataoni-ninie-donia-ny-zanany/ ... TohinyFintinina
4 andro lasa
Comment on Facebook Nosy-Be – Hanohy ...
Alefa NDAO mitoy n'y tolona 😍🥰
De aza mitaraina raha igadragadra fahatany
Tolona inona.?
Zao ahay mbo tegn hita fijorôny taranaka ! - fa mbô aia nagny sasany gadra politika reo ? Manina tsa mbo mijoro karaha nagny . Ninie. Doniah zôà ? Ndao hitolo e !
ISAORANA NY FIJOROANA - TANDREMO FA " TSY VOAVIDY VOLA IZANY IENDRI-NAREO IZANY ! "
Ninie Donia irery ianao tao anatin'ny fahafatesana. Saingy mijanona ao am-ponay (au fond de notre coeur) ianao mandrakizay. Ary iny fahafatesana iny no hampandresy ny tolona nataonao. Tolona mitovy otran'ny "la marche de Nicola Sacco et Bart Vanzetti". www.youtube.com/watch?v=SWM6gvFBWiE
Mbola malalaka fonja ao fa mahazo manao ka so mamono biby ts mafaty eo
Tsy vitan’ny ven’ny tanàna Vazahabe – Mantsina tsy laitra iainana Antananarivo Renivohitra
Helisoa
Nandritra ny fitondràn’ny ben’ny tanàna Vazaha be Naina Andriatsitohaina, nandritra izay 4 taona izay dia miaina ao anaty fako misavovona Antananarivo Renivohitra. Hafa anefa ny teny natao nandritra ny propagandy tamin’ny fotoan’androny, fa sahy nilaza ampahibemaso fa tompon’andraikitra ny ben’ny tanàna raha misy fako eto andrenivohitra. Nilaza mihintsy izy tamin’izany fa atero any amin’ny lapan’ny tanàna ny fako raha toa ka misy. Antananarivo madio sy milamina no ataontsika rehefa tonga eo amin’ny fitondràna aho hoy izy. Inona no misy ankehitriny? fako masiso tsy laitra iainana no misy manerana ny faritra maro .
Izay andehanan’ny mpitondra teo aloha mba nesorina ihany ho takon-kenatra, fa ny any amin’ny tsy hita maso dia tena mampiteny ny moana. Nisy ny mpanao politika efa nitondra fako teny amin’ny lapan’ny tanàna, fa valy boraingina sy teny mamazivazy no nambaran’i Vazahabe tao amin’ny tambazotran-tseraserany. Izao milaza hitondra fako eny amin’ny lapan’ny tanàna koa ny Apostoly Tsaratsara, ka asa izay ho fandehany? Nandritra ny fitondràn’i Vazahabe dia toy ny tsy misy mpitondra Antananarivo Renivohitra, nefa samy volomboasary ny mpitondra foibe sy ny tenany. Toa manome lalana ho an’i Andry Rajoelina amin’izay tiany atao sisa ny andraikitra ataony, fa tsy misy mihitsy ny fampandrosoana ny tanàna. Izao ka lasa Antananarivo “masiso” no teny filamatra ilazan’ny maro ny Renivohitr’i Madagasikara. Resin’ny ben’ny tanàna teo aloha Lalao Ravalomanana mihitsy amin’ny lafiny fampandrosoana ny amin’izao, na vehivavy tsy mba nahazo famatsiana ara-bola tamin’ny fitondràna foibe aza ny tenany tamin’izany.
www.gvalosoa.net/2023/12/07/tsy-vitanny-venny-tanana-vazahabe-mantsina-tsy-laitra-iainana-antanan... ... TohinyFintinina
4 andro lasa
Comment on Facebook Tsy vitan’ny ...
Vazah maloto re'olono oh !!!
Ho an’ny vahoaka maro an’isa – Tsy maintsy hihodina ny kodiaran-tsarety
Sôh’son
Maneho ny heriny sy fahefany ary ny volany ankehitriny ry Rajoelina Andry sy ireo miray petsapetsa aminy rehetra nampandany azy, tamin’ny fifidianana amboletra teo, izay tsy madio ary tsy eken’ny rehetra. Nampiasain’izy ireo ary natao fitaovana araka izay nitiavany azy ny zandary sy ny polisy ary ny miaramila, mba hamoritra ny vahoaka nitaky ny hamerenana an’ity firenena ity ho tany tan-dalàna. Dia niharihary tsara ireny ny fihetsik’ireto tsy afaka hisaina afa-tsy ny baiko omena azy, ka nampiasa hery niharo habibiana mihitsy tsy hiahotra na handratra na hamono na hisambotra sy hanagadra.
Ankoatra ireo fanimbana fitaovan’olona izay hetraketraka fotsiny izao, ary tsy toy ny Malagasy intsony tao anatin’izany ny tenan’izy ireo. Tsy teto an-drenivohitra na Antananarivo ihany no nisian’izany fihetraketrahana izany, fa hatrany amin’ny faritra samihafa nanerana ny Nosy. Ny tanjon’izy ireo amin’izany, dia ny hibeda mandrakariva ny fahefana sy ny fitondrana amin’ny alalan’ny famoretana ny vahoaka malagasy, indrindra ireo manohitra izao fakàna fahefana ao anaty tsy fahamarinana izao, ka manao izay fomba rehetra hampangina azy. Anisan’izany ny fanaovana ramatahora ireo mpitarika sendikà eto amin’ny firenena, dia ireny nisy fampiantsoana sy natao fandihadiana teny amin’ny tobin’ny zandary manadihady ny heloka bevava ireny, sy taorian’izany nampiakarina fitsarana mihitsy. Hatramin’ny mpitondra tenim-bahoaka aza, solombavany, noritina sy nosamborina toy ny jiolahy sy notanana teny amin’ny tobin’ny zandary nandritry ny andro maro, kanefa ao anaty fotoam-pivoriany, sy ireo tranga maro samihafa izay niaraha-nahita sy niaina.
Mihevitra tanteraka Rajoelina sy ireo mpomba azy rehetra, fa azy ireo ny hery sy ny fahefana ary ny vola, ka tsy misy mahatohitra azy. Afaka manao izay maha diavolana ny sainy sy ny danin’ny kibony izy ireo ao anatin’izany, ary atao izay hampanarahana ambokony ny vahoaka ka tian-kano, tsy tian-kano, fa efa voageja tanteraka, sy efa voasaratsaraka amin’ny resaka politika. Heviny manokana izany, fa an’ny vahoaka ny teny farany, satria izy no tompon’ny fahefana. Mihevitra sy manao izay hitoerana eo amin’ny fitondrana ireo olom-bitsy ireo, kanefa tsy ho mandrakizay izany. Toy ny kodiaran-tsarety izy ity, izy ireo eny ambony, fa ny vahoaka tsy manara-dia sy indrindra ireo manohitra azy eny ambany. Tsy maintsy hihodina io kodiarana io na tiana na tsy tiana, fa tsy kodiarana mihitsoka akory io. Tsy azo amboamboarina ho lasa efamira, ohatra io. Tsy maintsy hivadika ny rasa, satria tsy mbola izao no farany. Ary raha mbola misy koa ny farany tsy ho foana ny fanantenan’ny maro. Misy fotoanany ny zava-drehetra.
www.gvalosoa.net/2023/12/07/ho-anny-vahoaka-maro-anisa-tsy-maintsy-hihodina-ny-kodiaran-tsarety/ ... TohinyFintinina
4 andro lasa
EDITO 7 Desambra – Ho fametrahana amboletra an-dRajoelina – Hiverina ho zanatany amin’ny endriny maoderina i Madagasikara
Isambilo
Hiverina ho zanatany amin’ny endriny maoderina i Madagasikara, raha ho tafapetraka amboletra amin’ny fomba ofisialy ihany ny filoha napetraky ny CENI sy ny HCC tsy ara-drariny sy tsy ara-dalàna Andry Rajoelina, amin’ny 16 desambra ho avy izao. Ny antony dia satria olona tsy mizaka ny zom-pirenena Malagasy intsony no ho filoha.
Araka ny lalàna misy eto amintsika tokoa ary efa averimberina hatrany, very ny zom-pirenena Malagasin-dRajoelina, satria ninia nangataka zom-pirenena Frantsay izy. Ny fitsarana misy eto amintsika dia ninia nikimpy ka mbola namela ny Vazaha Andry Rajoelina nirotsaka hofidiana ihany tamin’iny fifidianana amboletra vita iny. Ny ankamaroan’ny Malagasy mpifidy dia tsy manaiky an’izany, nasehony izany tamin’ny tsy fahatongavana nifidy tamin’iny andron’ny 16 novambra lasa teo iny. Vitsy ny taha-pandraisan’anjaran’ny mpifidy manerana ny Nosy, saingy nabontsin’ny CENI sy ny HCC izany tamin’ny alalan’ny rindram-baiko, izay fitaovana efa nentin’izy ireo hanovana ny tena vokatra marina tamin’iny fifidianana filohampirenena fihodinana voalohany iny.
Amin’ny vondron’ny kandidà 11 toy ny tsy misy iny fifidianana iny ary mitohy ny tolona hoy izy ireo hamerenana ny fahamarinana sy ny tany tan-dalàna eto amintsika. Ao anatin’ny tsy fanarahan-dalàna tanteraka tokoa ny firenena amin’izao fotoana, raha tsy hilaza afa-tsy i Andry Rajoelina any Dubai, mbola tsy vita fianianana akory dia efa misolantsolana tonga any amin’ny fihaonambe iraisam-pirenen’ny COP 28 any amin’ny Emirat Arabo Mitambatra izy, milaza fa mitarika ny delegasiona Malagasy hono.
Amin’ny maha-Frantsay taratasy an-dRajoelina amin’izao fotoana, tsy hiaro ny tombontsoan’ny vahoaka Malagasy izany mihitsy ny tenany, fa ny tombontsoan’ny firenena nanome azy zom-pirenena no tsy maintsy lolohaviny an-tampon’ny loha. Tsy hanaiky izany Vazaha Frantsay hitondra azy izany ny Malagasy rehetra tia ny tanindrazany, sy manaja ny tolona nataon’ireo ray aman-dreny tamin’izany fotoana tao amin’ny Jina, ny Panama, ny VVS, Ny Menalamba, ny MDRM,…
www.gvalosoa.net/2023/12/07/edito-7-desambra-ho-fametrahana-amboletra-an-drajoelina-hiverina-ho-z... ... TohinyFintinina
4 andro lasa
Vidio ny gazetintsika NY VALOSOA VAOVAO Alakamisy 7 Desambra 2023.
Azonao vakiana eto:
www.gvalosoa.net/2023/12/07/alakamisy-7-desambra/
Tranonkala :
www.gvalosoa.com na
www.gvalosoa.net
Serasera FB Valosoa: m
gvalosoa.net/FB-Valosoa
Tahirin-gazety: gvalosoa.net/tahiry/
Fikarohana: gvalosoa.net/?s= ... TohinyFintinina
4 andro lasa
IREO MPITANDRO FILAMINANA
Raha tsaraina ny asa vitan’ny mpitandro filaminana,
Dia ho maro, tena maro ireo tsy ho afa-panadinana,
Fa ny fomba amam-panaony, tena mahavaky vava,
Tsy sokajin’ny mpandamina fa ny sefon’ny mpandrava!
Ireo heverina ho lohany sy miravaka girady
No mazàna misy toetra hita ho mamoafady.
Ilay « ho an’ny tanindrazana », tena zary tsy ao an-tsainy,
Fa ny hanompo mpanambola, izany izao no tena hainy!
Raha ireny no miteny hoe ‘ndeha lelafo ny maloto,
Dia manaiky an-tsitrapo ireo efa zatra lohamboto!
Ny hany masaka ao an-tsainy,vola ihany, vola hatrany,
Tsy ahoany ireo vahoaka efa mandady amin’ny tany!
Mihamitombo tsy mijanona ireo dahalo sy malaso,
Misy ireo mangala-taova sy manendaka voamaso.
Tena ilaina ireo bebasy hiaro ny eny ambanivohitra,
Saingy Analakely no hitany hihazàna ny mpanohitra!
Tsy ny hiaro ireo vahoaka, tsy izany velively
No manesika azy hijoro raha ny feo sy sary miely,
Fa ny hiaro ireo mpitondra efa tsy manana fanahy,
Ka indro miaraka mitsindroka amin’iretsy jiolahy!
Tsy ny « ho an’ny tanindrazana », tsy izany intsony aloha
No tarigetran’ireo sasany efa tena maivan-doha,
Fa ny hiray tsikombakomba dia hiaraka hihinana,
Izany sisa ankehitriny ireo mpitandro filaminana!
DADAN’i ZINA (03-12-23
www.gvalosoa.net/2023/12/05/ireo-mpitandro-filaminana/ ... TohinyFintinina
7 andro lasa
Comment on Facebook IREO MPITANDRO ...
Sady raha tena LEHILAHY fa tsy SARIM-BAVY ka MAFY BE ireto TAFIKA ireto, mandehàna MIADY @ DAHALO izahana azy
Nanao ny nataony ny herim-pamoretana – Voatohintohina indray ny fahalalahana maneho hevitra tany Diégo
LW
Voatohintohina indray, ny fahalalahana maneho hevitra tany Antsiranana faritra Diana ny alahady teo. Voasakana tsy afaka nivory tao amin’ny foiben-toeran’ny Tiko Antsiranana ny Jeune TIM any an-toerana. Rakotra mpitandro filaminana ny foiben’ny TIKO Place Kabaro Diégo, izay misy ny Radio MBS Antsiranana ihany koa ny alahady tolakandro teo. Nikasa hivory tao ny Jeunes Tiako i Madagasikara Antsiranana, saingy tsy afaka nanatanteraka izany izy ireo. Fanampenam-bava izao hoy ny mpitarika ireo tanora any an-toerana, satria samborina izay mihetsika, sakanana ireo manao fivoriana politika nefa amin’ny toerana mifefy. Noho izay antony izay voasakana koa ireo olona tokony handefa annonces na filazana samy hafa, dédicace na hira namelan-kafatra, publicité na dokam-barotra tao amin’ny Radio MBS Diégo. Voabahana tanteraka ny vavahady fidirana tao amin’ity onjampeo tsy miankina akaiky ny mpanohitra ity, saingy misokatra amin’ny sokajin’olona rehetra.
www.gvalosoa.net/2023/12/05/nanao-ny-nataony-ny-herim-pamoretana-voatohintohina-indray-ny-fahalal... ... TohinyFintinina
7 andro lasa
Kandidà filoha Rajaonarimampianiana – Mitohy ary tsy maintsy mandresy ny tolona
Niaina
Manoloana ny sarintsarina voka-pifidianana navoakan’ny fitsarana avo momba ny lalampanorenana (HCC) ny herinandro lasa teo, nisy ny fanambarana nataon’ny kandidà filoha Hery Rajaonarimampianina, izay ao anatin’ny vondron’ny kandidà 11 ihany koa. Mitohy ary tsy maintsy mandresy ny tolona hoy izy. “Anjarantsika no mametraka lova tsara ho an’ny taranaka, mametraka Firenena vanona ho lovain’izy ireo. Tsy hiray tsikombakomba amin’ny famotehana ny Tanindrazana, tsy ho mpiray antoka amin’ny fanimbana ny hoavin’ny taranaka sy ny Firenena isika, fa hijoro hatramin’ny farany, hiady sy hitolona, hanavotra sy hanarina ny Tanindrazana sy ny Taninjanaka. Antsika malagasy i Madagasikara fa tsy an’olon-tokana. Mitohy arak’izany ny tolona ataontsika, koa miantso ireo hery velona rehetra eto amin’ny Firenena hitsangana sy handray ny andraikitra tandrify azy avy. Tsy maintsy mandresy isika ary tsy maintsy firenena tena mahaleotena amin’izay i Madagasikara.’’ Manana 11 andro ny vondron’ny kandidà sy ny tolom-bahoaka hatao, ka ho hitantsika eo ny ho tohin’izany.
www.gvalosoa.net/2023/12/05/kandida-filoha-rajaonarimampianiana-mitohy-ary-tsy-maintsy-mandresy-n... ... TohinyFintinina
7 andro lasa
Fiainam-pirenena – Hanohy ny fampihavanana ny FFKM
Isambilo
Nanatanteraka komity Foibe-45 ny herinandro teo, tao amin’ny EEM Katedraly Santa Marka Fosarato Fianarantsoa, ny FFKM: Fiombonan’ny Fiangonana Kristiana eto Madagasikara. Loha-hevitr’izany komity Foibe-45 ny tenin’ny Soratra Masina ao amin’ny Matio 5 : 9 :’’sambatra izay mampihavana fa izy no hantsoin’Andriamanitra hoe zanany.’’ Arak’izany, hanohy ny fanelanelanana sy ny fampihavanana eto amin’ny firenena ny FFKM. Hiantso izy ireo ny zanany rehetra izay manam-pahaizana momba ny lalàna handinika ny tsy fitovian-kevitra, hamaritra paikady mazava ho fanabeazana ny olom-pirenena izay ampianarina eo anivon’ny FFKM ny Andrimaso, amporisihana ny fiangonana rehetra hanao 5minitra ho fanabeazana ny olom-pirenena. Tokony hampiharina ihany koa ny sehatry ny fahamarinana eo amin’ny politika hoy ity fiombonambe ara-pinoana ity. Miantso ny rehetra hijoro hiady amin’ny fahalovana eo anivon’ny ankohonana, sy ny fiarahamonina ary ny firenena. Ny Komity Foibe-46 dia hatao any Morondava amin’ny 20-24 novambra 2024. Nanasonia ny fanambaran’ny FFKM tany Fianarantsoa izao ireo filohampiangonana ao amin’ny FFKM: ny avy amin’ny FJKM: ny mpitandrina Dr Irako Andriamahazosoa Ammi, ny avy amin’ny EKAR: Mgr Raoelison Jean de Dieu, ny avy amin’ny FLM: Pastora Dr Rakotozafy Denis, ny avy amin’ny EEM: Mgr Ranarivelo Samoela Jaona.
www.gvalosoa.net/2023/12/05/fiainam-pirenena-hanohy-ny-fampihavanana-ny-ffkm/ ... TohinyFintinina
7 andro lasa
Comment on Facebook Fiainam-pirenena –...
Tena tsy mety izany: Religion #Politique
Tohizo ra bola mety ,,mahakivy manjaka tanteraka n'y asany dévoly eto Mada
FAMPIHAVANANA????? Mitondra inona ny fampihavanana???? Fanjakana efa TSY MISY DIKANY, TSY MISY FOTONY, FANJAKAN'ANDEVO, FANJAKANA MAFIA. Atao ahoana no hihavana amin'izany????TSY AZO ATAO NY MIHAVANA @ FANJAKANA MASIRASIRA. 😡😡😡😡😡😡😡😡😡😡 ZARAO 2 'LAY FANJAKANA DIA SAMIA MANANA NY LALANY! Izay no TENA TSARA!!!! IZAHAY TSY MILA HCC sy CENI ary TAFIKA MPAMAROTRA TANINDRAZANA, FILOHA MALAGASY FA TSY VAZAHA TARATASY NO ILAINAY.
Departemantam-panjakana Amerikana – Ento amin’ireo rafi-pitsarana mahefa ireo fitarainana momba ny fifidianana
Nangonin’Isambilo
Manoloana ny sarintsarina voka-pifidianana tamin’ny fifidianana filohampirenena teto Madagasikara ny herinandro teo iny, nanao fanambarana ny faran’ny herinandro teo Andriamatoa Matthew Miller, mpitondra tenin’ny Departemantam-panjakana amerikana:
“i Etazonia dia mankasitraka ny vahoaka Malagasy nampiasa ny zo maha-olom-pirenena azy sy ny zony ara-politika nandritra ny fifidianana filoham-pirenena natao ny 16 novambra lasa teo. Voarainay ny fanambarana amin’ny fomba ofisialy ny voka-pifidianana nataon’ny Fitsarana Avo momba ny Lalam-panorenana (HCC), manamafy ny fahalanian’ny Filoha Andry Rajoelina indray. I Etazonia dia manamafy ny fahavononany hiara-hiasa amin’ny Filoha voafidy Andry Rajoelina, ny governemanta, ary ny vahoaka Malagasy ho fampandrosoana ny firenena sy ho fampanajana ny zo fototra ho an’ny tsirairay.
Mankasitraka ihany koa ny governemanta sy ny vahoaka Malagasy niantoka androm-pifidianana nilamina sy tony tamina faritra maro. Na izany aza anefa, niteraka ahiahy izay tokony harenina ny zotram-pifidianana ho fiantohana ny filaminana sy ny ho avin’ny firenena. Maro ireo mpiantsehatra, na olom-pirenena na mpanaramaso ny fifidianana avy eto an-toerana sy iraisam-pirenena, izay nahatsikaritra tsy fahatomombanana samihafa nandritra ny zotram-pifidianana. Ankoatr’izay, maro amin’ireo sosokevitra fanatsarana ny zotram-pifidianana naroso taorian’ireo fifidianana natao ny 2018 sy 2019, no tsy mbola tanteraka.
Miantso ny vaomiera mahaleo tena misahana ny fifidianana CENI izahay hamaha ireo olana ireo, ary miantso ny governemanta Malagasy hanadihady amin’ny antsipiriany ireo tsy fahatomombanana sy ireo voalaza fa hosoka, ka hiroso amin’ireo fanavaozan-drafitra samihafa navoitran’ireo mpanaramaso ny fifidianana malagasy sy iraisam-pirenena, ary hijery akaiky ireo filàna sy fanirian’ny olom-pirenena ao Madagasikara.
Mangataka an’i Madagasikara i Etazonia, mba haneho fahavononana hatrany hanaja ny zotra demokratika, ny lalàm-panorenana sy ny tany tan-dalàna. Mendrika sy miandrandra fifidianana malalaka sy madio, tanterahina ao anaty filaminana, ary fanjakana tsara tantana, ny vahoaka Malagasy. Miantso ihany koa ny governemanta Malagasy hampitombo ny fahatokisan’ny vahoaka ireo rafi-panjakana ao aminy, sy hiantoka ny fahamarinan’ireo fifidianana ho avy.
I Etazonia dia manameloka ny herisetra amin’ny endriny rehetra ary miantso ny vahoaka Malagasy, hitondra ireo fitarainana mahakasika ny fifidianana manoloana ireo rafi-pitsarana mahefa ao Madagasikara.”
Raha ity fanambarana nataon’ny ao amin’ny ministeran’ny raharaham-bahiny Amerikana ity, tsy mahefa ve izany ny fitsarana nitsara ny fifidianana filohampirenena teo dia ny Fitsarana Avo momba ny Lalampanorenana (HCC)? Heverina fa hitory amin’izany fitsarana tena mahefa izany ny vondron’ny kandidà 11, sy ny olom-pirenena rehetra nahita tsy fahatomombanana sy hosoka ary tsy fetezana maro tamin’iny fifidianana tamin’ny 16 novambra lasa teo iny. Tantara mbola mitohy.
www.gvalosoa.net/2023/12/05/departemantam-panjakana-amerikana-ento-aminireo-rafi-pitsarana-mahefa... ... TohinyFintinina
7 andro lasa
Comment on Facebook Departemantam-panjakana...
Ohatra ny hoe misy zavatra anankiroa mifanohitra.
Fitsarana ve tsisy azo antenaina
AIZA, IZA ireo rafipanjakana mahefa!!!? Ny CENI sy ny HCC ve??
Ka efa ilay rafim-pitsarana mits no corrompue. Efa hifiran-drzalah sy dorany ftsn zay fati-taratasinareo any. Efa tsy zany intsony ny démarche fa milolalola b ry be kitana, manaiky an-kolaka izy fa mba mahatakatra amzay oa isika Malagasy.
RMDM sy ny TIM – Fanavotana ny Malagasy rehetra no maika fa tsy toerana
Isambilo
Nivory tetsy amin’ny foiben-toeran’ny antoko TIM Bel’Air omaly, ny lohandohan’ny mpisorona sasany ao amin’ny rodoben’ny mpanohitra RMDM, sy ny avy amin’ny antoko Tiako i Madagasikara (TIM). Ny mahakasika ny fanohizana ny tolona ho tolom-bahoaka, no anisan’ny nodinihana tamin’izany, tolom-bahoaka izay iarahana amin’ny vondron’ny kandidà 11, sy amin’ny sokajin’olona samy hafa: mpanao politika, fiarahamonim-pirenena, sendikan’ny mpiasa, na mpiasam-panjakana izany na tsy miankina, mpianatra, olon-tsotra, sy ny maro hafa,… Nambran’ny kandidà filoha Marc Ravalomanana nandritra izany fa:”tsy ny toerana na ny voninahitra no tadiavintsika sy maika, fa ny fanavotana ny vahoaka Malagasy rehetra. Ny zavatra rehetra dia eken’Andriamanitra hiseho, fa tsy ny zavatra rehetra no sitrapon’Andriamanitra,’’ hoy izy nandritra izany. Ankoatra izany, nivory nikaton-trano teny Andraharo ny vondron’ny kandidà 11 ny faran’ny herinandro teo, niketrika ny ho tohin’ny tolona, heverina fa tsy ho ela izy ireo dia hanambara ny tohin’izany: ady amin’ny tsy fahamarinana, sy ny ady amin’ny fanjanahana amin’ny endriny maoderina.
www.gvalosoa.net/2023/12/05/rmdm-sy-ny-tim-fanavotana-ny-malagasy-rehetra-no-maika-fa-tsy-toerana/ ... TohinyFintinina
7 andro lasa
Comment on Facebook RMDM sy ny TIM – ...
Mila mijoro hatramin'ny farany isika .Tsy mahazo mora kivy.Homba antsika Andriamanitra.
Mba olo hafa ahay fa tsy Nareo 🥴🥱
Ataovo @ manaraka zan fa decembre isika zao
Miandry ary mahatoky anao zahay Dada
Raha tianao hazava @ nolo izany dia ataovy tamberina eto na @ TV misianareo NY zava niseho s'y mbola misy aminizao ohatra fanakanana NY hafa tsy hamory olo ,NY fanambanana basy amon'ny izay tsimitovy hevitra,NY fiskarany vidipihainana izay tsimitsahatra izany averimberenana mandra pisiny marimaritra hiraisana
Avotana@inona de@Fomba ahina????
Marina izany Dada a !
Zahay ts mila fanavotana av amnareo
Tairo fa ela loatsy Vava no be
aza manakorotana andro fety mihintsy aloha fa manomboka janvier any vao tokon anakorotana
EFA tara loatra
Fitondran-dRajoelina sy ny forongony – Mandeha ila toy ny kiraron’i Beminahy
Sôh’son
Miharihary ankehitriny ny zava-misy eto amin’ny firenena, fa mandeha ila. Misy ampahany vahoaka, izay vitsy an’isa, manohana izao fitondrana izao, miohatra amin’ny maro an’isa manohitra azy. Niaraha-nahita tsara izany tamin’ny fiatrehana iny fifidianana amboletra iny, sy ny fitsara-mitanila nampanaovina tian-kano tsy tian-kano ny vahoaka malagasy. Dia nisy nihorakoraka nifaly ireo olom-bitsy teny amin’ny Araben’ny Fahaleovantena ny andro sy fotoana namoahan’ny HCC mitanila, namoaka ny voka-pifidianana.
Hay azo idirana ihany izany kianjan’ny 13 mey izany rehefa ho an’ny mpomba an-dRajoelina sy ny forongony, satria tsy nisy lakrimôzena nidoboka, hetsika politika anefa izany, fa tsy nisy nanakana. Tetsy ankilan’izany, nisy maro an’isa nangina, sorena sy tezitra sy tsy faly mihitsy, satria tsy araka ny notakiana, dia ny fifidianana madio sy eken’ny rehetra no nisy, fa ny mifanohitra amin’izany: sarintsarim-pifidianana, sy sarintsarina voka-pifidianana no nivoaka sy navoakan’ny HCC. Niaraha-nahita ny tsy fitovian’ny herijika teo amin’ny kandidà, ary nisy aza ny mbola naratra notsaboina tany ivelany, nefa nisy ny nangalatra fiaingàna hatrany am-boalohany tamin’ny fampielezan-kevitra, sns…
Ankehitriny, navoakan’ny HCC ny didy, fa Rajoelina no lany. Natao maimaika novonjivonjena toy ny tsinain-kena ny famoahana ny vokatra, ary ho toy izany koa, araka ny re, ny hanatanterahana ny lanonana fametrahana azy amin’ny toeran’ny filohan’ny Repoblika, izay voalaza fa hatao ny 16 desambra ho avy izao. Maro no tsy miraika, ao ny tsy faly, ao ny manohitra satria tsy nifidy azy no sady tsy manaiky marindrano frantsay hitondra ny firenena malagasy, tsy eken’ny sainy velively izany.
Raha tombanana amin’isambato azon-dRajoelina ka hametrahana amboletra azy fotsiny izao, dia zara raha ampahafolon’ny vahoaka malagasy, ary iray ampahadimin’ny tokony hifidy. Eken’ny HCC, sy ireo lazaina ho mpitsara ambony manam-pahalalana amin’ny fahaizana lalàna eto Madagasikara anefa izany. Hita miharihary araka izany anefa, fa tsy mifandanja ny mpanohana nifidy azy sy ireo mpanohitra azy eo amin’izao toerany izao, ary ireto farany iaraha-mahalala, fa maro an’isa. Izay indrindra no ilazana hoe, handeha ila toy ny kiraron’i Beminahy ny fitondrany. Tsy hahasoa ny firenena velively anefa izany, ary tsy hampandroso azy ihany koa. Misy aza ny milaza fa vao hijoro dia hidaraboka izao fitondrana izao, tsy hahavita izany taom-piasana 5 taona izany indray, satria ho avy ny tolona tena tolom-bahoaka mitsipaka ny tsy fahamarinana rehetra, sy ny fiverenan’ny fanjanahana indray eto amintsika, noho ny haha-filoha an-dRajoelina izay Frantsay, efa nanary ny maha-Malagasy azy. ... TohinyFintinina
7 andro lasa
EDITO 5 Desambra – Tsy hiadana sy tsy ho finaritra i Madagasikara
Helisoa
Mbola hisy fanantenana ve ny ho havin’i Madagasikara raha izao zavamisy eto amin’ny firenena izao no sainina sy eritreretina? Tany tan-dalàna ve no misy eto Madagasikara sa tsia, satria toa izay tian’ireo tompom-pahefana no hampiharina hitondràna ny firenena? Tena manao ny danin’ny kibony izy ireo, misy fetrany anefa izany. Mbola hanana ny ho aviny mamiratra ve ireo tanora izay lazaina fa ho avin’ny firenena? Mihàtra eto Madagasikara ve ny soa toavina maha Malagasy dia ny fanajàna ireo ray amandreny eto amin’ny firenena, sy ireo izay nampalaza antsika hatramin’izay dia ny fihavanana? Ireo no santionan’ny fanontaniana miverimberina eny ambavan’ny olom-pirenena maro na eny an-dalambe na eny amin’ny tambazotran-tserasera amin’izao fotoana izao, indrindra taorian’ny fifidianana izay tsy nandraisan’ny rehetra anjara teo, ka nampandresen’ny CENI sy HCC an’i Andry Rajoelina.
Ny fanirian’ny rehetra dia hiadana sy ho finaritra i Madagasikara, saingy indrisy mizotra mankany anaty lavaka isika raha jerena amin’ny zavatra misy. Izay tian’ny tompom-pahefana no atao eto ary ataony amin’izay mampetipety azy ny itondràna ny firenena na tsy ao anaty lalàna aza. Aiza ve ka mpitondra lazaina fa lany, tsy nisy fianianana ny fametrahana azy amin’ny fomba ofisialy dia efa midedaka sahady misolo tena an’i Madagasikara any ivelany. Mazava ny voalaza fa tsy filoha izy raha tsy vita ny fianianana amin’ny 16 desambra.
Niditra antsehatra nandamina ny ray amandreny filohan’ny Antenimierampirenena Christine Razanamahasoa sy ny FFKM amin’ny disadisa eto amin’ny firenena, kanjo ny tenany indray no nahazo loza. Fanajana ray amandreny ve izany araka ny soatoavina maha Malagasy? tsia ny valiny. Dia miandry ny ho tohiny ny vahoaka Malagasy 70% mahery tsy nifidy an’i Andry Rajoelina, eo mahita izy hoy ny fiteny iray izay.
www.gvalosoa.net/2023/12/05/edito-5-desambra-tsy-hiadana-sy-tsy-ho-finaritra-i-madagasikara/ ... TohinyFintinina
7 andro lasa
Vidio ny gazetintsika NY VALOSOA VAOVAO Talata 5 Desambra 2023.
Azonao vakiana eto:
www.gvalosoa.net/2023/12/05/talata-5-desambra/
Tranonkala :
www.gvalosoa.com na
www.gvalosoa.net
Serasera FB Valosoa: m
gvalosoa.net/FB-Valosoa
Tahirin-gazety: gvalosoa.net/tahiry/
Fikarohana: gvalosoa.net/?s= ... TohinyFintinina
7 andro lasa
LAORANJY LO TSY AZO EKENA
Tena tsisy mahataitra ny amin’ny voka-pifidianana,
F’efa hita tany aloha ireo tsy fahatomombanana.
Kandidà tsy nahafeno izay voalazan’ny lalàna
No nanaovana amboletra mba handray ny fiaingàna!
Vokany dia tsy mitombina ary tokony hofoanana
Fa manimba saina fotsiny ity nambara ho fifidianana.
Ny mpitsara dia efa tazana fa nanana ny niandaniany,
Ny komity koa mampiaiky fa indreo manao izay tiany!
Irony vokatra navoaka, na dia mbola vonjimaika,
Dia efa hita fa maneho ny teti-dratsy sy ny paika.
Indreo ny kandidà rehetra fa nezahina nantsoina,
Saingy Rainilainga irery no indro hita fa nanoina!
Ary dia nisolantsolana naka seza teny aloha
Fa efa dodona sy maika hisalotra ny maha-filoha.
Kinanjo indrisy tsy hahazoany voninahitra aman-dera,
Fa mihosina maloto ka dia maro mpitsikera!
K’aoka isika tsy ho taitra ny amin’ny voka-pifidianana,
F’efa indreo mandrovi-tsihy ireo ho very fihinanana!
Ny vahoaka tsy hanaiky fa tsy maintsy hampiaka-peo,
Raha mbola hoe « laoranjy lo » no atao an-tery hapetraka eo!
TSIMIMALO (29-11-23)
www.gvalosoa.net/2023/12/02/laoranjy-lo-tsy-azo-ekena/ ... TohinyFintinina
1 herinandro lasa