Kandidà vazaha mpanjanaka – Mitarika vonjimaika hitondra ny firenena amin’ny hantsan’ny fahapotehana

Andry Tsiavalona

Mirehareha ny mpomba ny kandidà Andry Nirina Rajoelina ka tsy miraharaha ny taham-pahavitrihan’ny mpifidy ambany, tsy mbola nisy toy izany, fa tsy mbola nahazo vato betsaka toy izany koa hono ny kandidàn-dry zareo. Etsy an-kilany kosa anefa dia nanambara ny Vondron’ny kandidà fa mandresy satria nanohina ny antso tsy nifidy ny olompirenena Malagasy, mahatsapa ny tsy fahatomombanan’ny fanomanana ny fifidianana sy ny tsy fanekena kandidà vazaha frantsay hitondra ny Firenena hivarina any an-kady indray mandritra ny 5 taona manaraka.

Niaraha-nahita ihany koa ny fanambaran’ny masoivohon’ny firenena amerikana ny alakamisy hariva momba ny fanahiany amin’ny tahan’ny mpifidy izay ambany dia ambany. Tsy takona hafenina tokoa mantsy fa tsy hanana ny rariny sy ny hitsiny (légitimité) mihitsy Andry Nirina Rajoelina. Tsy nionona tamin’ny fahitàna fa nanaraka ny toromarika nomeny ny olompirenena, ka nanao fanambarana ihany koa ny Vondron’ny Kandidà nisaotra ireo tsy tonga nandatsa-bato ary nanome toky fa hitohy ny tolona. Niantso indray ny Vovonana tarihan’ny Filohan’ny Antenimierampirenena sy ny FFKM amin’ny tokony hitohizan’ny fifampidinihana hialàna amin’ny mety hitohizan’ny krizy izay hitera-doza ho an’ny Firenena sy ny Vahoaka Malagasy.

Samy miandry izay toromarika homen’ny Vondron’ny Kandidà ny rehetra momba ny fitohizan’ny hetsika izay azo inoana fa ho mafimafy kokoa ny fanoheran’ny Malagasy ny mbola hiverenan’i Andry Nirina Rajoelina eo amin’ny fitondrana ny Firenena indray, satria tsapa nandritra izay 5 taona izay fa nikoroso fahana ny fiainana ary nilanja ny tsy eran’ny aina ny vahoaka teo amin’ny sehatra rehetra. Efa tsy mahatoky ireo rafitra miandraikitra ny fifidianana, Fitsarana Avo momba ny Lalàmpanorenana (Hcc) sy ny Vaomieram-pirenena Mahaleotena miandraikitra ny Fifidianana (Ceni), ny rehetra ka tsy hanaiky izay voka-pifidianana havoakan’ireto andrimpanjakana ireto. Marina fa mandroso ny teknolojian’ny serasera ka fotoana fohy dia tonga eny amin’ny Ceni ny vokatra any amin’ny faritra rehetra any, kanefa niaraha-nahita ihany koa ny tsy faharisihan’ny olompirenena nandatsa-bato, ka nangadihady ny toeram-pifidianana ary tsy hisy efapolo isan-jato izany ny tahan’ny mpifidy tonga araka ny vaovao nivoaka ny zoma atoandro.

Tsapa araka izany fa toa mizotra any amin’ny làlan’ny korontana tsy azo hiverenana ny Firenena satria miziriziry amin’ny fandresen’i Andry Nirina Rajoelina nolazainy hatramin’izay ny mpomba azy. Etsy an-kilany kosa dia tsy hanaiky lembenana ihany koa olompirenena Malagasy sy ny ireo fikambanana maro samihafa, ka hanohitra hatramin’ny farany ny hiverenan’ny fanjanahana ny Firenena indray. Tsy nanao fampielezan-kevitra ny Vondron’ny Kandidà 10 ka tsy mahagaga raha tsy nandatsabato ho azy ireo izay nandeha nifidy ny alakamisy 16 novambra 2023 teo. Na izany na tsy izany dia nibaribary ary noporofoin’ny vato azon’i Andry Nirina Rajoelina fa tsy manaiky ny mbola hiverinany eo amin’ny fitondrana sy hanandevo ny Malagasy indray ny tia ity Nosy ity. Nigoka ny mangidy sy nifika ny taolambe tsy mitapaka ny Malagasy nandritra ny 5 taona ka tsy manaiky ny mbola hiverenan’izany indray. Araka izany dia manetsika ireo andrimpanjakana miandraikitra ny fifidianana ny ekipan’i Andry Nirina Rajoelina hitady ny fomba rehetra hampandaniana azy indray, ka hizoran’ny Firenena ho any amin’ny hantsan’ny faharavana sy ny fahapotehana. Ireo tsy manana fahalalana sy tsy ampy solaitra ary mitsipozipozy eo amin’ny fiainana ihany no mbola manohana an’i Andry Nirina Rajoelina ka « ny manantena tsy misy, hono, no sarotra fa ny mamohy mora foana.