RAHA VAO HOE FRANTSAY

Raha vao misy ny tandindon-dry zareo frantsay,
Dia tena aleo ambara tsotra, marobe no efa fay,
Satria ny tanjon’izy ireo dia mbola ny omaly ihany:
Ny hanohy ny fitsentsefany an’iretsy zanatany!

Raha vao misy ny tandindon-dry zareo frantsay
Ka izy ireo no hampivory ireo ambony sy mahay,
Dia indro fa misento hatrany iretsy gasy faraidiny,
Hoe iza indray ireo « gasy vendrana » ho voakoly sy ho voavidiny!

Raha vao misy ny tandindon-dry zareo frantsay
Dia tena aleo ambara tsotra, tena tofoka izahay.
Aleo ovàna ny fijery sy ny fomba fiheverana,
Fa raha izay hoe frantsay dia tena tsy azo ianteherana!

Raha vao misy ny tandindon-dry zareo frantsay,
Dia toa mipoitra indray ny ratra izay navelany ho anay.
Tsy hoe hiantso tody anefa na koa hoe hamonkin-tanana,
Saingy ny hisolelaka aminy, aoka kosa hofaranana!

IRINA HO TAFITA (16-11-23)