IZAHO ALOHA DIA TSY HIFIDY !

Nisafidy aho ny hijanona ary tsy handeha hifidy,
Na dia fantatro aza izany fa hoe zo sy tena adidy.
Ny antony dia tsotra ihany, laviko ary koa tsy ekeko
Raha izaho no hanampy trotraka ny fahorian’ny fireneko!

Raha hanaiky aho ny hijoro ka handeha handatsa-bato,
Dia midika f’efa maty ny fanahy anatiko ato!
Tsangan’olona aho sisa, hany ka mandeha an-jamba,
Toy ny adala milomano anaty rano feno mamba!

N’inona n’inona holazain’ireo izay miezaka hanakiana,
Aleoko, tena aleoko aloha matory ihany eto am-pandriana!
Fa mampandry ny eritreritro, mampilamina ny saiko,
Izaho ilay tsy voavidy vola, tsy voatsindry, tsy voabaiko!

…Ka dia indro aho fa hijanona ary tsy handeha hifidy,
Fa tsy ekeko ny hioty ny efa lo na koa mangidy.
Raha handeha hifidy ihany, aleo ny tsara no hofantenana,
Ka aleo aloha miandry mba tsy hisian’ny fanenenana!

TSIMIMALO (15-11-23)