NANGATSIAKA NY FIFIDIANANA

Nanohitra ny fifidianana ny teto Madagasikara,
Izay no tatitra mazava raha fehezina sy ambara.
N’aiza toerana naleha dia hita ho nangadihady,
Mai-molotra ny foza, hita ho tena resy an’ady!

Nanohitra ny fifidianana ny teto Madagasikara,
Olo-maro no nikomy ka nandà tsy handray anjara.
Kivy ratsy Rainilainga, ho tapitra eo ny hadalàny,
Fitsarana any ampita no tsy maintsy hiafaràny!

Nanohitra ny fifidianana ny teto Madagasikara,
Noho ireo lalao maloto efa nomanin’ny mpitsara.
Mila averina amin’ny laoniny iretsy rafi-pitantanana,
Raha tsy izay, ho very maina ireo rehetra fifidianana!

Nanohitra ny fifidianana ny teto Madagasikara.
Tsy ho ela dia haneno ny trompetra sy anjomara.
Tsy ny vokatra intsony no ilaina hozahàna,
Fa ny fomba hiverenana amin’ny « tany tan-dalàna »!

DADAN’i ZINA (16-11-23)