FANDRESENA HANDALO IHANY

Efa fantatra mialoha fa anareo ny fandresena,
Ka nahoana no matahotra sady tsy matoky tena?
Vao mba kianina dia indro fa avy dia mivoaramena.
Izany ve dia tena mendrika ho filoham-pirenena?

Efa fantatra mialoha fa anareo ny fandresena,
Ka dia inona no anaovana herisetra sy hagegena?
Sa izay no fomba fiadin’ny tsy manam-pahendrena,
Sady izany ve dia mendrika ho filoham-pirenena?

Efa fantatra mialoha fa anareo ny fandresena
Raha vao renay fa ireo ilay hoe mpitsara notendrena,
Saingy ny hetsika, hitohy sy tsy azon’iza hofefena
Raha izay mbola hoe vazaha no ho filoham-pirenena!

TSIMIMALO (15-11-23)