Fiainam-pirenena – Mitombo tsy an-kiato ny “mafia” na mafiady” eto amintsika

Beharo

Mitombo tsy an-kiato ny “mafia” na ny “mafiady” eto amintsika, araka ny fanadihadiana natao. Tamin’ny fitondrana Rajoelina dia nilaza ny ankamaroan’ny mpiray monina, fa tsy mitsaha-mitombo ny olona sahirana, mafiady eto amintsika, vokatry ny vidim-piainana mihoa-pampana sy ny tsy fahitana asa sahaza intsony, fa voatery mitady izay sitrany ahay sisa, ka lasa manao asa fitadiavana an-tselika hafa indray, izay tsy rariny mihitsy aza, satria efa mahantra tanteraka. Tsy vitsy ireo sahirana nifanatona taminay nilaza izay mba azony atao, toy ny mpivady mpitatitra rano sy mpanasa lamba, izay nanambara fa mba hitsinjovana ny sakafo sy ny fianaran’ny ankizy, dia voatery mifoha amin’ny 3ora maraina, manenjika rano izay ho tapaka manomboka amin’ny 5ora sy sasany hatramin’ny 6ora hariva, nefa mba hanenjehana lamba 30 eo ho eo ho an-dramatoa, ary bidon 6 eo koa hoan-drangahy. Ny mpanasa zara raha mahazo 5arivo ariary isan’andro, ny mpitatitra koa 6 arivo ariary isan’andro raha mahazo laharana tsara eny amin’ny paompy.

Nanambara moa izy ireo fa raha 11000 Ar no azony mitambatra, ialan’ny sakafo sy hofantrano, ary ny saran’ny fampianarana ho an’ireo zanaka 2, dia tsy tratra mihitsy ka mampalahelo. Nisy koa aza mpivady kely mpanangona tavoahangy, manasa azy ireny eny Masay iny, sady mpitady korontam-by, no nilaza fa 6 arivo ariary mitambatra no mba hita, tsy manofa trano fa eny akaikin’ny fitoeram-pako, tsy afaka mandefa ankizy mianatra, fa dia mitady izay harapaka fotsiny ihany, “Ny hohanina androany; tadiavina androany ” raha ny filazan’izy ireo. Ry zareo mpanapaka volo an-dalambe ireny koa, dia nitsotra fa 1500 Ar ny fanapahana, nefa zara raha misy olona 3 raha betsaka indrindra, fa ny manao volo sola dia efa any an-tranony sisa no manao, fa tsy ampy vola hono, mitsitsy izay mba azo. Ny mpanotra dia nanambara fa hasin-tànana no raisina, ka raha olona 3 na 4 no tonga, dia manodidina ny 7 arivo ariary no mba azo, nefa raha atambatra izany ho isam-bolana, dia maivana araka ny fiteny, satria mbola eo ireo adidy amam-panao samihafa, ka tsy afa-po mihitsy araka ny filazany. Ny mpitsoka mozika na mpihira an-dalambe dia mivelona amin’ny fanomezana sy rakitra madinika, ary voatery mizara izay azo eo, ho an’ny 4 dahy mpandray anjara, nefa rehefa tsy tratra koa na misy iray marary, dia efa tsy afaka mitady vola indray. 11000 Ar no mba azon’ireto mpitsoka mozika, mitovy amin’ny azon’ny mpanosika posiposy sy sarety, nefa izay kely mba azo, dia voatery zaraina mitovy amin’ireo mpiara-manao hatrany, ka tsy manavotra, nefa hery sy tanjaka miasa avokoa. Ny mpibata entana, docker ireny, dia nitsotra fa mitaona amin’ny fiandohan’ny tsena sy ny firavana, ka na mba mahazo kely aza, dia voatery mihinana amin’ny hotely, sy mitondra izay sisa tavela any an-trano, nefa dia mampahonena hatrany.

Mazava araka izany fa mahantra tanteraka ny vahoaka, satria raha mba mitontaly 10000 Ar. no hita isan’andro, 3hetsy ariary isam-bolana, ialan’ireo hofantrano, sy sakafo ary volan-jaza, sns… dia tena KERE, MOSARY, hatrany ny maro an’isa.