Fampielezan-kevitra sandaina vola – Niafara tamin’ny fanaovana herisetra tamin’ny mpanao gazety

Rajepa

Niafara tamin’ny fanaovana herisetra tamin’ny mpanao gazety ny fampielezan-kevitra sandaina vola, nataon’ny mpomba ny kandidà Rajoelina tany amin’ny faritra Menabe. Nanao fampielezan-kevitra tao amin’ny renivohitry ny faritra Menabe ny mpanaradia ny kandida Andry Rajoelina, izay tsy tonga tany an-toerana, fa Andriamatoa Tinoaka Roberto no nisolo tena azy tany, izay nanao kabary fanaratsiana sy fanenjehana ireo kandida mpifaninana amin’ny laharana faha 3, nisy mihintsy ny ompa izay natao tamin’ny kandida filoha Marc Ravalomanana. Hita nandritran’io fotoana io, fa maro ireo olona avy any amin’ny kaominina ambanivohitra manodidina an’i Morondava no notaomina tamin’ny kamiao, izay tsy fitaterana olona ary notambazana vola sy tee-shirt ireo olona, ka manodidina ny 5000 ariary hatramin’ny 15000 Ariary isan’olona no nomena. Nohon’ny hamaroan’ny olona anefa dia tsy voazara ara-potoana ireo vola, ka nisy tamin’ireo olona no mbola tsy tafody satria sady mbola tsy nahazo vola no tsy misy fiara hanatitra azy ireo, isan’izany ireo olona avy ao amin’ny kaominina ambanivohitra Analaiva izay ny ben’ny tanàna mihintsy no nitarika sy nanangona ireo olona, ka nilaza fa mahazo vola sy tee-shirt rehefa tonga any Morondava.

Efa nisasakalina anefa, mbola tee-shirt ihany no azon’ireo olona ary rehefa nahita ireo olona nitangorona maro be teo alohan’ny boutika orange ny mpanao gazety dia nanao fanadihadiana, ka tamin’izay no nahalalana fa miandry ny vola sy fiara hanatitra azy izy ireo. Nandritra izany no nahafantarana araky ny tafa nifanaovana tamin’ireo olona izay nanaiky halaina feo fa voafitaka izy ireo; nandritra izany no naka sary ny mpanao gazety, tonga ny ben’ny tanàna ka nandidy ny hamafana ireo sary ary ireo ekipany kosa nandrahona nisy ny ompa sy fandrahonana nahazo ny mpanao gazety ary nisy miaramila iray nampiseho ny maha miaramila azy, ka niteny hoe tsy hainao zaho fa vakio soratra amin’ny akanjoko ity fa Tafika malagasy, koa miteny anao zaho fafao izay sary nalainao teto mba tsy hanahirana anao, saingy niala moramora ny mpanao gazety ary nanakana Bajaj, saingy izay Bajaj nosakanana dia nalaindry zareo ny la clé, ka tsy navela hanatitra. Natahotra noho ny fahamaroan’ny olona anefa ny mpamily ireo Bajaj nosakanana ka tsy nisy namaly; nandeha tongotra ny mpanao gazety, ka nahita posy.

Rehefa alohaloha dia nandeha posy rehefa teny andalana hody no nahazo loharanom-baovao, fa misy olona mivorivory koa eo amin’ny Banky BFV, ka niverina teny ary hay ireo olon’ingahy ben’ny tanàna ihany no nifindra teo raha nanontany ireo mpiambina ny banky ny tena dia nilaza izy ireo, fa avy nanao fampielezankevitra ireo miaraka amin’ny ben’ny tanànan-dreo eo, tsy sahy miteny azy ireo zahay hoy ireo mpiambina roalahy fa mijery izay ataon-dreo fotsiny naka sary avy ety ampita ny tenako no nihazakazaka namonjy ahy Ingahy ben’ny tanàna ary nandray vozon-ankanjo sady nandrombaka ny findaiko, saingy tsy azony. Nilaza moa izy fa hamango ahy ary nanatona koa ireo lehilahy maromaro voatery nitsoaka ny tenako ary soa ihany fa tsy azon’izy ireo na dia nanenjika ahy hatreny amin’ny 200 metatra aza izy ireo.

Izany rehetra izany dia azo feo avokoa fa ny teo amin’ny banky BFV kosa dia azo sary sy video, satria nisy olona tsara sitra-po roalahy nahita ny zava-nisy dia naka sary ary namonjy ny tenanay avy eo nilaza fa nohon’ny hamaroan’ireo olon’ingahy ben’ny tanàna dia tsy sahy niditra niteny izy ireo, fa naka sary ny zavatra nisy izay hisaorana azy ireo. Lasa fanjakan’i Baroa tanteraka ny zava- misy, satria ankoatran’ny tsy fanarahan-dalàna misy dia miampy herisetra amin’ny mpanao gazety manatanteraka ny asany koa. Koa miantso ny hery velona rehetra mba hijoro hanohitra ny tsy rariny.

—https://www.facebook.com/100005433888119/posts/pfbid0LtWiRhh8hV7FkWBgHpgXdueZ8HRXKdFFFzaxophahFcvXWmsiArmZMn7baVE5meVl/?mibextid=cr9u03