REHEFA IREO MPITSARA AVO

Rehefa ireo mpitsara avo no manjary hafa famindra
Ka manandratra ny vola ho « ny lehibe indrindra »,
Dia mazava, tsara ho azy ny mametra-pialana,
F’efa tsy hainy ny manaja na mampihatra ny lalàna!

Olon-tokana no hindrainy ka tsy hisy zava-banona,
Fa mitohy ny gidragidra sady tena tsy hijanona.
Mihamitombo hatrany ny olana , ny eo anefa tsy voavaha
Satria dia niampy iray indray iretsy « kandidà vazaha »!

Indreo mitanjaka tanteraka fa tsy manana hiafenana,
Ireo mpampihatra ny lalàna, ilay ambara ho fanorenana,
Fa izay rehetra ataony dia mandeha any amin’ny tsy izy,
Miharihary tsotr’izao fa toy ny kilalaon’ankizy!

…Rehefa ireo mpitsara avo no mivadi-panekena
Ka mivadika ho « rambo » fa tsy « sangam-pirenena »,
Dia izay no lakolosy sy porofo famantarana
Fa ny dian-dRainilainga, tsy ho ela dia hifarana!

DADAN’i ZINA (08-11-23)