HO AN’I KANDIDÀ VAZAHA

F’angaha dia efa tena boka no indro fa mitoka-monina?
Toa tsy vonona hiresaka sy tsy hita hoe hohatonina.
Sa dia efa mieritreritra fa hibata fandresena,
Ka tsy mety mihaino intsony ny anatranatra omena?

Indro tena miolonolona, tsy mihevitra ireo hafa,
Sy tsy miomana hidinika na mba hoe hifampitafa ,
Fa dia tena feno avona ary tena bemarenina,
Ka tsy vonona hihaino sady sarotra tenenina?

…Angaha dia mihevitra ho mahery fa hoe kandidà vazaha
Ka dia tsy vonona mihitsy ny hifampiraharaha?
Mbola anterina eto anefa fa ny « gasy niova lasy »,
Tsy azo ekena ho filoham-pirenena malagasy!

Mihevi-tena ho mahery, tsy azon’iza hotohinina,
F’efa toy ny mahatsiaro ho tena manana sy ambinina?
Tena nisy ny filoha nirehareha tahaka izany,
Saingy fantatrao va re hoe inona no niafaràny?

TSIMIMALO (10-11-23)