HATSARAO ALOHA NY KIANJA

Tena tsara ny mitaona sy miantso mba hifidy,
Zon’ireo vahoaka izany sady ambara fa adidy.
Saingy raha hoe tevan-dalina no efa hita manoloana,
Dia aleo aloha miato, tsisy tokony hirosoana!

Ambara ho hadisoana goavana manoloana ny tantara
Ny mandrisika vahoaka ho amin’ny lalana tsy tsara.
Raha todihana ny lasa, misy ny efa nanenenana,
Ka ny lalana nandratra dia tsy tokony hiverenana!

Ry mpitondra fivavahana, aoka ho zotra iray no hiarahana
Fa aza tia ny mampiverina ho amin’ny lalam-panjanahana!
Mila anterina eto indray mba tsy ho diso ny fisainana:
Ilay Jesoa no hany lalana, fahamarinana ary fiainana!

…Koa dia tsara ny mitaona sy miantso mba hifidy,
Saingy mba tsy mety kosa ny hampifidy ny mangidy!
Hatsarao aloha ny kianja, indrindra koa ny fanomanana,
Izay vao tsara ny miroso ho amin’ny tena fifidianana!

TSIMIMALO (11-11-23)