ANDAO HIRESAKA

Andao hiresaka, hidinika fa izany izao no maika.
Mila drafitra mazava sady tena maty paika.
Mila avoaka ny ao am-po kanefa atao am-pahendrena,
Tombontsoam-pirenena, izay no aoka hojerena!

Andao hiresaka, hidinika fa izany no ilaina.
Mahasoa ny mifanatona raha mbola velona aina.
Aoka tsy hanava-tena, aoka tsy handeha irery,
Fa izay tia maningantsingana, azo antoka ho very!

Andao hiresaka, hidinika, hambom-po aleo himpirina.
Adilahy sy fifandirana, tena mila halavirina.
Ipetrahana « ny seza », ireny tsy mba filoloha,
Fa raha tsy izay dia diso toerana, toa pataloha atao an-doha!

Andao hiresaka, hidinika, ny mampisaraka hampanginina.
Tombontsoam-pirenena, izay no aoka hobanjinina.
Ireo mpitondra fivavahana, tena vonona hitarika.
Mirosoa, ekeo ny antso, raiso re ny toromarika!

DADAN’i ZINA (09-11-23)