Ravalo, kandidà, depiote, olom-boafidy, fianakaviana,… Avoahay depiote Fetra, tsy ara-dalàna ny fitazonana azy

Stefa

Sokajin’olona maro samihafa amin’izao fotoana no miantso ny hamotsorana an’i depiote Fetra Ralambozafimbololona, filohan’ny vondrona parlemantera TIM, voafidy tao amin’ny Boriboritany faha-5, satria tsy ara-dalàna sy tsy ara-drariny ny fisamborana azy teny Mahamasina hoy izy ireo. Miantso koa izy ireo ny hamotsorana ireo rehetra voasambotra noho ny Hetsika Fotsy, hetsika am-pilaminana: mangataka ny hamoahana ny solombavambahoaka Fetra Ralambozafimbololona, sy ireo olona voasambotra rehetra nandritra ny hetsika fotsy izay efa nogadraina ny kandidà filoha Marc Ravalomanana.

Mitaky ny hamoahana azy tsy misy hatak’andro koa ny fianakaviany. Nanao fanambarana teny Analamahitsy ny fianakavian’ny Solombavambahoaka Fetra Ralambozafimbololona, voafidy tao amin’ny Boriborintany faha-5, mitaky ny hamoahana tsy misy hatak’andro ity olom-boafidy ity izy ireo, izay nosamborina tamin’ny fomba tsy ara-dalàna, toy ny olon-dratsy, nandritra ny hetsika teny Mahamasina.

Manameloka ny fisamborana an’ny depiote Fetra Ralambozafimbololona koa ny kandidà Siteny Randrianasoloniaiko. Nilaza izy fa: “manameloka tanteraka ny fisamborana an’i Honorable Fetra Ralambozafimbololona, sy ireo olona nitolona rehetra miaraka amin’ny Collectif des Candidats ny tenako. Mitaky ny famoahana azy ireo tsy misy hatak’andro aho, ary mangataka ny fampitsaharana ny fampiasan-kery sy fandatsahan-drà atao amin’ny Vahoaka. Tena efa tsy rariny intsony izao fahasahian’ny mpitondra vonjy maika manamafy ny jadona eto Madagasikara izao”, hoy ity kandidà ity.

Ireo depiote, sy ireo olom-boafidy avy amin’ny antoko TIM koa dia miantso ny famotsorana ny depiote Fetra Ralambozafimbololona tsy misy fepetra, tsy ara-dalàna hoy izy ireo ny fisamborana depiote mandritra ny fotoam-pivoriany.