Governemanta sy Antenimierampirenena – Tsy namaly ny depiote ny MDN, ny Ministry ny Fitsarana, ny atitany, ny polisy ary ny SEG

Nangonin’i Stefa

Tsy namaly ny depiote ny MDN: ministry ny fiarovam-pirenena, ny Ministry ny Fitsarana, ny atitany, ny polisy ary ny SEG: na ny sekreteram-panjakana misahana ny zandarimariam-pirenena. Nampiantso ireo mpikambana sasantsasany ao anaty Governemanta ny Filohan’ny Vaomieran’ny fanombanana ny politikam-panjakana Johasy Raharisoa Eléonore ny 09 novambra teo. Izany dia ho fampiharana ny andininy faha-167 ao amin’ny Fehin-kevitra mikasika ny Fitsipika anatiny mifehy ny Antenimierampirenena, izay milaza fa « ny fomba hafa ampiasain’ny Parlemanta ahafantarany ny asa sahanin’ny Governemanta dia ny fanontaniana am-bava, fanontaniana an-tsoratra, ny fanadinana hentitra, ny fampiasana ny Vaomiera mpanao famotorana ary ny fihainoana amin’ny alàlan’ny Vaomiera. »

Tsy nanohina ny antso ireo minisitra voakasika tamin’izany araka ny nambaran’ny Filohan’ny Vaomiera dia ny minisitry ny fiarovam-pirenena, ny filaminam-bahoaka, ny fitsarana, ny ati-tany ary ny sekreteram-panjakana misahana ny zandarimaria. Raharaham-pirenena no resaka, noho ny tsy fahatongavan’ireo ministra ireo teny Tsimbazaza, tompon-trano mihono ny vahoaka.