Krizy eto amin’ny firenena – Mizotra amin’ny dinika an-databatra boribory

Andry Tsiavalona

Miroso any amin’ny fihaonana an-databatra boribory ny famahana ny krizy ara-politika eto amin’ny Firenena. Iaraha-mahalala fa ny fifidianana filoham-pirenena izay kasaina hatao amin’ny 16 novambra 2023 izao no tena miteraka izao krizy izao, tsy hamerina ny olana nandritra ny taona vitsivitsy sy ny antson’ny fikambanana samy hafa sy vondrona politika ary ny Raiamandreny ara-panahy ny hanaovana ny fikaonandoham-pirenena.

Amin’izao dimy andro mialohan’ny daty fandatsaham-bato izao dia velom-panantenana indray ny olompirenena Malagasy, fa hisy ihany izany fihaonana an-databatra boribory izay tarihan’ny Filohan’ny Antenimierampirenena sy ny Fivondronan’ny Fiangonana Kristiana eto Madagasikara (FFKM) ary nanasana ireo hery velona rehetra handroso sosokevitra vahaolana hivoahana amin’izao krizy. Efa nanambara ity Vovonana ity, fa “tsy feno ny fepetra” (conditions) hirosoana amin’izany fifidianana izany, ka ny vahaolana dia ny fanemorana izany amin’ny fotoana hifanarahana amin’izany fihaonana an-databatra boribory izany.

Raha ny matoan-dahatsoratr’ireo gazety miaradia amin’ny fitondrana dia “tsy araka ny Lalàmpanorenana (extra-constitutionnelle) izao ataon’ny Filohan’ny Antenimierampirenena izao”. Manambara koa ny jeneraly misotro ronono “filoham-panjakana” mpisolo toerana, fa tsy maintsy miroso amin’ny fifidianana ny eto Madagasikara. Raha izany no dinihana dia milomano manohitra ny riaka izao fitondrana izao ary manamarina izany ny fitetezan’i Andry Nirina Rajoelina faritra manao fampielezankevitra ary tsy miraharaha izany antson’ny Manam-panahy sy Olobe eto amin’ny Firenena izany. Tsapa ihany koa anefa etsy an-kilany fa tsy milefitra intsony ary mijoro hampanjakana ny fahamarinana sy ny demokrasia ny Filohan’ny Antenimierampirenena sy ny Fivondronan’ny Fiangonana Kristiana eto Madagasikara.

Azo lazaina fa jamban’ny fahefana sy ny vola loatra izao fitondrana izao, satria tsy mahita fa tsy mbola nisy teto Madagasikara nandritra ny enimpolo taona sy maneran-tany izany kandidà mpifaninana amin’ny fifidianana Filoham-pirenena miisa folo, ka mivondrona manohitra ny tsy fahatomombanana eo amin’ny fikarakarana ny fifidianana, sy tsy manaiky kandidà vazaha frantsay ho anisan’ny mpifaninana. Tsy azo odian-tsy hita ihany koa ireo gasy manenjika ny Vondron’ny Kandidà 10, ka milaza fa tsy tokony nametraka ny antonta-taratasy maha kandidà azy ary tsy nanao hatsapaka nahazoana laharana ao amin’ny biletà tokana, hono, ireto olona folo ireto ary tonga dia nanohitra ny maha kandidà izay nanary ny zom-pirenena malagasy. Toa tsy mahatsapa ny olona toy itony, fa azo antoka fa ny eo amin’ny fitondrana amin’izao fotoana izao dia tsy miraharaha na inona na inona ary tsy menatra ny hanitsakitsaka ny lalàna velona rehetra, ka raha izay no nataon’ny Vondron’ny Kandidà dia tsy afaka nihetsika izy ireo ary tsy nanana antony mitombona nentina nanohitra ny fifidianana, satria toy ny olompirenena tsotra rehetra. Tsy takatr’ity mpahay lalàna, minisitra tamin’ny tetezamita sady efa kandidà ho filoham-pirenena ary nanohitra izao fitondrana izao ity koa ve fa tsy nisy fototra nampijoro ity Vondron’ny Kandidà ity raha tsy nametraka ny antontan-taratasy izy ireo. Hitam-poko, hitam-pirenena fa mitombona ny fitakian’izy ireo ary resy lahatra ny olompirenena Malagasy rehetra, ka manohana azy ireo kanefa dia famahanana baomba mandatsa-dranomaso sy fandratrana ary fisamborana no asetrin’ny “mpitondra” ny fitakiany.

Nisy minisitra teo aloha ihany koa niakatra an-tsehatra tao amin’ny fahitalavitra iray, ka nilaza fa betsaka hono ny zava-bitan’i Andry Nirina Rajoelina nandritra izao telo taona farany nitondrany izao na dia tsy afaka nanao na inona na inona aza izy roa taona noho ny covid 19. Tsy hita tabilao ity mpanao politika ity nandritra ny fotoana lava ary entanin’ny fanantenana, fa mbola hiverina eo amin’ny fitondrana ity filoham-pirenena teo aloha ity ka azony antoka fa ho anisan’ny ho lohandohany ao amin’ny fitondrana izy. Raha izao tranga rehetra eto amin’ny Firenena izao dia azo inoana fa tsy hisy ny fifidianana ny 16 novambra 2023 izao na hanao hamboletra aza Andry Nirina Rajoelina sy ny forongony satria tsy hanaiky izany, ankoatry ny Vondron’ny Kandidà, ny olompirenena manaraka ny Hetsika Fotsy, ireo nanaiky hidinika an-databatra boribory eny amin’ny Antenimierampirenena. Hibaribary eo ny fitadiavan’izao fitondrana izao hamotika ny Firenena sy hamoritra ny Malagasy.