EDITO 11 Novambra – Rajoelina sy ny forongony – Miezaka mampanjaka ny faharatsiana eto amin’ny firenena

Sôh’son

Miharihary tsara izao ny finiavan’ireo olom-bitsy mampiditra ny firenena ao anaty fifidianana maloto, ka handentehana ny fahamarinana tsy hipoitra intsony. Ireo mpiara-dia amin-dRajoelina no miezaka mampanjaka ny faharatsiana eto amin’ny firenena izao. Miharihary ny fiketrehana ny hampiadiana ny samy Malagasy, ka hanakaramana olom-bitsy matim-bola hanakorontana ny hetsika fotsy hihetraketraka amin’ireo Malagasy mpiray tanindrazana aminy. Ary hatramin’ny olona tokony hiaro vahoaka aza no tsy miahotra intsony mamono vahoaka, tsy misy afa-tsy tanam-polo ary manao hetsika am-pilaminana.

Miharihary ny tsy firahirahiana sy tsy fivakiana loha intsony ny lalàna samihafa sy ireny fanazimbazimbana tanteraka ny olom-boafidin’ny vahoaka ireny, izay midika tsotra izao ho tsy firahirahiana velively ny hasin’ny vahoaka malagasy intsony. Izany hoe ny sary tian’izy ireo aseho, ireto mpanao zinona ny vahoaka malagasy ireto, dia izy ireo eo ambony, ambonin’ny lalàna rehetra, ary ny Malagasy eo ambaniny, ary ambanin’ny lalàna izay tiany atao. Tsy rariny sy tsy hitsiny ary tsy fahamarinana tanteraka izany. Tsy atao hahagaga raha toa ka vaky volana mihitsy ary niaka-peo ny filohan’ny Transparency international, nilaza fa “tsy vanona” ireo olona ireo.

Hoan’ny olom-pirenena maro anefa dia tsy ampy io teny io, indrindra raha mahita ny habibiana samihafa tao anatin’izay andro maromaro izay, ary anisan’ny nisongadina ny tamin’ny sabotsy 04 novambra sy ny teny Mahamasina farany teo, fa tena tsy valahara sy tsy vaky atatra ireo olona ireo. Dia ireny fiantsoana tody amin’izy ireo sy ireo taranany nataon’ny olom-pirenena manao hetsika fotsy ireny, toy ny nataon’ilay raim-pianakaviana naratra mafy teny Mahamasina. Dia tsy hisy akony ve izany rehetra izany. Tsy hifarana sy hangina ho azy amin’izao izany, fa tsy maintsy hisy akony amin’izy ireo satria masina ity tanindrazana ity, ary manana ny hasiny ny Malagasy olom-pirenena vanona.

Misy ny fivoriana sy fihaonana ataon’ireo olom-pirenena olo-be manana ny maha izy azy amin’ny toerany eto amin’ity firenena ity tato anatin’ny andro vitsivitsy izao. Ny mahavariana dia mbola misy olona, depiote tgv ihany, sahy manabaty sy manamaivana izany. Dia mbola manamafy ny nambara teo aloha izany. Tsy azo heverina velively ho hahatafarina sy hanandratra ny firenena ny sokajin’olona toy izany, fa ny vahoaka malagasy fotsiny no hifafa ny kihony amin’ny farany. Tsy azo ekena hahazo vahana velively izany ary tsy maintsy sakanana araka izay fomba azo atao rehetra. Soa fa nisy ireto olom-pirenena manao hetsika fotsy ireto, ireo kandidà 10 mitarika ny hetsika fitakiana famerenana ny firenena ho amin’ny tan-dalàna, ary indrindra ireo olo-be miantso ho amin’ny fanelanelana sy fitadiavam-bahaolana amin’izao krizy politika misy eto amin’ny firenena izao.